Fikambanan’ny mpianatr’Ankatso: niarahaba ny filoham-pirenena, miantso fifanomezan-tanana

Maro ny zava-bita eny anivon’ny Anjerimanontolo. Nilaza ireo mpianatra fa tsy mahasahana ny mpianatra rehetra izany, koa miantso ny filohan’ny Repoblika izy ireo.

Niarahaba ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, tafapetraka soa aman-tsara indray eo amin’ny fitondrana ireo fikambanan’ny mpianatr’Ankatso, omaly, nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo. Miantso fifanomezan-tanana mba ho bebe kokoa ny zava-bita miohatra ny dimy taona lasa izy ireo. Manantena sy maniry ny hitombon’ny fifanomezan-tanana. “Misaotra Andria­matoa filoha tamin’ny rehetra vitanao teo aloha ary mbola hisaoranay hatrany ny mbola ho ataonao”, hoy Rasoamanantena Voahan­gimalala Nomena, mpitondra tenin’ny mpianatra. Toy ireo trano fonenana eny anivon’ny Anjerimanontolo sy ny “batiment” anankiroa eny an-toerana (R+1). Notsindriny fa mbola tsy misitraka ny fotodrafitrasa avokoa ny mpianatra rehetra. Nangataka izy ireo, araka izany, ny mba hanampiana izany.

Handray an-tanana
“Vonona handray an-tanana amin’ny fampandrosoana ihany koa izahay”, hoy ny filoha rejionalin’ny mpianatra avy eto amin’ny faritra Analamanga, Randriampeno Fanomezantsoa.
Nilaza izy ireo fa tsy maintsy iainana eny amin’ny tontolon’ny Anjerimanontolo ny disadisa samihafa. “Fa ankasitrahana betsaka rehefa misy miezaka manolo-tanana ary mandeha tsikelikely izany”, hoy hatrany ny filoha rejionalin’ny mpianatra Anala­manga. Nilaza izy fa tsy vita indray andro ny fampandrosoana fa iarahan’ny rehetra misalahy.
Efa nisy fifampiresahana teo amin’ny tomponandraikitra samihafa. Namahana ny fikatsoan’ny faMpianarana teny an-toerana. “Efa mandeha ara-dalàna ny fampianarana ankehitriny ary ao anatin’ny fotoanan’ny fanadinana tanteraka ireo mpianatra”, hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo.

Mino

Partager sur: