Mois : décembre 2023

Tohodranon’i Beboka : hamokatra vary fanampiny 6 300 taonina

Hiverina hamokatra ny tantsaha ao amin’ny distrika Antsalova, faritra Melaky, noho ny fahavitan’ny tohodranon’i Beboka. Hamokatra vary fanampiny hatrany amin’ny 6 300t isan-taona ny fotodrafitrasa, entina hampiroboroboana ny famokarana sy hanampiana ny tantsaha ka hanatrarana ny fanamby amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hanondraka velaran-tany 1 600ha mandritra ny fotoam-pambolena ny lakandrano ary 500ha […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 827 300t ny simenitra namidy teny an-tsena nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2023, izay mitentina hatrany amin’ny 299,6 miliara Ar. Nahitam-piakarany 84 300t ny vokatra nafarana raha oharina tamin’ny taon-dasa, izay manodidina ny 743 000t ka mitetina 271,4 miliara Ar. Mitohy hatrany ny tetikasa hazavao ny elakela-trano ataon’ny orinasa Jirama. […]

Madagasikara : lohalaharana amin’ny fanondranana vokatra bio

Tafakatra hatrany amin’ny 5 800t ny vokatra bio naondran’i Madagasikara ny taona 2020, raha toa ka 800t monja izany ny taona 2009. Anisan’ireo firenena mpanondrana vokatra bio betsaka indrindra maneran-tany ny firenena malagasy. Manodidina ny 35% amin’ireo vokatra naondrana ny kakao, legioma 20%, voankazo ny 12%, hanitra fanao amin’ny sakafo […]

Tahirimbolam-panjakana : tafapetraka ny tondrozotra « Schéma directeur des réformes »

Natolotra teo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny tondrozotra «  Schéma directeur des reformes »,  hitantanana ny tahirimbolam-panjakana mandritra ny dimy taona. Narafitra ao anatin’ny « Schéma directeur des réformes » (SDR) ireo paikady sy fanavaozana rehetra hampandrosoana ny tahirimbolam-panjakana mahomby ka handraisana anjara feno amin’ny fitomboan’ny fiharian-karena. Entina hitantanana ny tahirimbolam-panjakana ao […]