Mois : décembre 2023

Federasion’ny Kung fu : naverina amin’ny rafitra nisy taloha

Tontosa, omaly zoma 15 de­sambra, teny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Maha­masina, ny fivoriambe fanao isan-taona, eo anivon’ny Fede­rasiona malagasin’ny Kung fu. Zava-dehibe ny nanatanterahana ity AGO ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fede­rasiona, Grand Maître Avoko. Niarahan’ny ligy 9 nanapaka mantsy fa haverina ho toy ny rafitra nisy hatramin’izay, tany amin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina, omaly, tany Zimbabwe Harare, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “Cosafa School U-15”, taranja baolina kitra. Nomon­tsanin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa mavesatra 8 no ho 0 ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy vehivavy. Nanao ady sahala 0 no ho 0 ny sokajy lehilahy. Miisa enina ireo klioba frantsay mbola manohy […]

GTA – Manasa-dalana : hifandona ny CFFA sy ny Elgeco Plus

Hotanterahina manomboka anio sy rahampitso eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny ampahefa-dalan’ny «Grand Tournoi Antananarivo (GTA)», taranja baolina kitra. Anisan’ireo fihaonana tena andrasan’ny maro amin’ity dingana hiadiana ny tapakilan’ny manasa-dalana ity, ny an’ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoharanofotsy, rahampitso. Tsiahivina fa tamin’ireo lalao roa nihaonan’ny roa tonta nandritra […]

Rugby – Amboaran’i Madagasikara : vonona handresy ny Cosfa ny Uscar

Lalao handrasan’ny rehetra, ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara taranja rugby, amin’izao faran’ny herinandro izao. Hiady izany, ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Uscar. Vonona handresy ny miaramila ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fanamby goavana ho an’ny ekipan’ny kaomi­nina Antananarivo renivohitra ny Uscar, ny hibata ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby ny alahady […]