Mois : décembre 2023

VAOVAO TAMBATRA

Nigadona ao Mahajanga ny sambo lehibe Hebridean Sky mitondra mpizahatany. Fahaton­gavana fahadimy ao an-toerana izy ity ary aman-jatony ny mpiondrana izay teratany amerikanina sy anglisy ny ankamaroany. Andrasana ao an-toerana, anio, kosa ny sambo lehibe iray Jacques Cartier, mitondra mpitsangantsangana miisa 113. Tsy mandoa haba nanomboka ny 25 desambra teo, […]

Raharaha vary simba : olona fito naiditra am-ponja vonjimaika

Naiditra am-ponja vomjimaika ao Marofoto, Mahajan­ga ireo olona fito voarohirohy ta­min’ny fanadiovana ilay vary simba 50 kaontenera tratra tao Mahajanga. Anisan’izany ny mpanangom-bokatra sady tompon’ilay orinasa, ny tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ny taratasy. Voasa­rin­gotra ta­min’ny raharaha ihany koa ny mpitoto vary, ny mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily ary ny mpibata entana […]

Sakaraha : narahi-maso ara-teknika ny mpiompy trondro

Nidina ifotony, nitsirika sady nanohana ara-teknika ny mpiompy trondro any amin’ny distrikan’i Sakaraha, ny tomponandraikitra ao amin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Atsimo Andrefana, ny 24 desambra 2023 teo. Narahi-maso sady nomena tolo-kevitra ara-teknika ny mpiompy trondro, ahafahany manatsara ny seha-pihariany. Telo ny mpiompy trondro notsidihina, ka […]

Fetin’ny faran’ny taona : 150 000 hatramin’ny 300 000 Ariary ny tapakila

Samy manana ny fomba entiny mamarana ny taona ny isan-tokantrano. Misy ny mamonjy alim-bavaka. Maro ny mijanona an-trano. Betsaka ny mandeha alim-padihizana izay tafakatra hatramin’ny 300 000 Ar ny vidim-pidirana. “Lazaina fa mampitaintaina ny fety amin’ity taona ity satria tsy mahasahy manapa-kevitra ny mpanjifa raha tsy efa ankatoky ny fety”, hoy ny mpikarakara lanonana […]

FANTINA sy FINTINA

Handeha mivantana amin’ny haino aman-jerim-pirenena RNM/TVM ny lahatenin’ny filohan’ny Repoblika. Kabary firariantsoa sady hanambarany ny tetikasa laharam-pahamehana izany, hotanterahina amin’ny alahady 31 desambra izao, amin’ny 8 ora alina. Nanamarika ny faha-51 taonany ny MFM, afakomaly. Mbola nohamafisin’izy ireo ny tokony hanadiovana ny tokotany, mialoha ny fifidianana. Nanome toky koa ny […]