Nidina ifotona nijery sy namantatra ny toe-javamisy iainan’ny vahoaka sy nitafa tamin’izy ireo, ny filoha voafidy Rajoelina Andry. Notsindriny mafy, tamin’izany, fa vonona ny fitondram-panjakana hotarihiny hamaha ireo olan’ny vahoaka. Nitohy omaly, teny Ampefiloha Ambodirano sy Anosibe Zaivola ary Andranomena, ny fidinana ifotony, nijerena ny marary sy ny manahirana ny mponina ary nizarana ny […]
Mois : décembre 2023
Fitantanana ny loza : tanora 108 avy amin’ny faritra 4 nomena fiofanana
Naharitra 3 herinandro ny atrikasa fametrahana ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo ho amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ary ny fampiofanana azy ireo. Natao tany amin’ireo faritra efatra notsongaina manokana noho izy ireo voasokajy ho faritra atahorana ny fiofanana. Anisan’izany ny tany amin’ny faritra Anosy, Boeny, Analanjirofo ary Atsinanana. Tanora […]
Vondron’ny tanora (VTI): namolavola didim-panjakana mifanaraka amin’ny hetahetany
Nanatanteraka atrikasa nasionaly nandritra ny roa andro, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny Vondron’ny tanora ho an’ny fanavaozana ifotony (VTI). Nandritra izany indrindra no niaraka nikaondoha ireo tanora 230, avy amin’ny distrika 30 manerana ny Nosy, notarihin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja. Famolavolana didim-panjakana ho fikendrena […]
Dia amin’ny fahavaratra: mila ampitomboina ny fahamailoana
Nanome toromarika manokana ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) ho an’ireo mpandeha taksiborosy sy ireo mpamily amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao. Ho an’ny mpandeha, mila hamafisina ny fonon’ireo entana izay tsy maintsy hiakatra ambony tafon’ny fiara na ho an’ireo miditra “soute” mba tsy ho lena na simban’ny orana. Mitondra elo, […]
Noely-Fitaovana fandravahana : manomboka amin’ny 6 000 Ar ka hatramin’ny 60 000 Ar ny vidiny
Fahazarana ho an’ny isan-tokantrano ny manangana hazonoely raha vao miandoha ny volana desambra. Efa mandrakotra ny tsena ny akora fandravahana amin’ny vidiny sy ny kalitao mampiavaka azy. Vao niantomboka ny volana desambra, namoaka ny entana fandravahana ny hazonoely samihafa ny mpivarotra eto an-drenivohitra, indrindra amin’ireo tsena be mpanjifa : Tsaralalàna, Analakely, […]




