Manohana manokana ny tovovavy sy ny vehivavy ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena momba ny fiahiana sosialy. Nanomboka ny taona 2015, nahatratra 258 156 ny vehivavy nahazo tohana ara-bola sy voaofana. Afaka nanohy fianarana koa ny ankizivavy miisa 162 522, 6 hatramin’ny 14 taona. Natomboka teny Ambatoroka ny fivoriana ho fametrahana ny rafitra Comité […]
Mois : décembre 2023
Fikarohana ara-tsiansa: mpikaroka fito nampiakarina ho tale
Mpikaroka fito no nampiakarina amin’ny laharana maha talem-pikarohana, 10 kosa amin’ny laharana talem-pikarohana miara-miasa, araka ny didim-panjakana navoakan’ny filankevitry ny minisitra. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy teny Ivandry izy ireo, tamin’ity herinandro ity. Nitondra ny teny fiarahabana ho azy ireo avy amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Profesora […]
DR Razafindralambo Kiady Rivo: «Psychiatre» sy «psychologue» no mahafehy ny «hystérie»
Tsy vitsy amin’izao fotoana izao ny olona mitaraina fa tratran’ny « spasmofilia » ka sahirana miatrika ny andavanandrom-piainany amin’ny asa sy ny fivelomana ary ny fahasalamana amin’ny ankapobeny. Mitondra fanazavana momba ity toe-tena ity ny dokotera manam-pahazaina manokana momba ny fahasalaman’ny saina (psychiatre), Razafindralambo Kiady Rivo, misehatra eny amin’ ny hopitalim-panjakana. Gazety […]
TARATRY ny KANTO
Lanonambe eny amin’ny Kianjan’ny hiragasy. Taorian’ny fanambarana ofisialy ny maha harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny hiragasy, hisy ny fety lehibe izay hotontosaina eny Ampefiloha, rahampitso alahady. Arahina ady hiragasy goavana hatrany izany, izay hifandonan-dry Marie Louise avy any Anivorano sy ry Fredikely avy eny Imerintsiatosika. “Tsy misy mahaFOHY aina…”. Fampisehoana fanehoana […]
« Festival Sar’nao » : hitohy eny amin’ny CGM ny hetsika
Tanterahina ny 11 hatramin’ny 16 desambra 2023, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely), ny fampirantiana «Street Photography», karakarain’ny Photo Club CGM. Marihina fa mbola tafiditra ao anatin’ny «Festival Sar’nao», andiany faha 14, ity hetsika ity. Mpahay kanto, mpaka sary pika maro no handranty ny sariny amin’io fotoana io. Samy haneho […]




