Tanora Masina Itaosy (T.M.I), nahatontosa seho maro nandritra ity taona 2023 ity. Tao ny fampisehoana tamina sehatra lehibe (Antananarivo, Antsirabe…). Tsy vitsy koa ireo notanterahina tany anivon’ny fiangonana. Hitohy rahampitso 10 desambra, manomboka amin’ny 2ora sy sasany tolakandro, eny amin’ny FLM Ambatonjara By-Pass izany. Fampisehoana hira evenjelika sy fitoriana an-kira […]
Mois : décembre 2023
Maherin’ny 65 000 ireo mpitsidika : faranana amin’ny seho ara-javakanto ny fandalovan’ny Logos Hope
Tapitra amin’ity faran’ny herinandro ity ny fivahinianan’ilay sambo Logos Hope ao Toamasina. Seho ara-javakanto anatiny sy ivelan’ity sambo miendrika famakiam-boky goavana ity no hamaranana izany. 65 000 mahery omaly zoma. Azo antoka fa mbola hitombo isa ireo mpitsidika ny sambo Logos Hope, anio sy rahampitso. Herinandro maromaro izay no nisafidy […]
Fetin’ny Krismasy : misafidy ny kilalao fanabeazana ny ray aman-dreny
Akaiky ny fetin’ny Krismasy. Mividy kilalao ho an-janany avokoa ny ankamaroan’ny ray aman-dreny. Anisan’ny safidin’izy ireny ny kilalao fanabeazana. Tsy dia misy vanim-potoana loatra ny fividianana sy ny fandehanan’ny tsenan’ny kilalao, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanaovana fanadihadiana. Somary mandeha kosa ny tsena ho an’ny vanim-potoana akaiky fialantsasatra, fetin’ny Krismasy, fetin’ny paka ary […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy nanembantsembana ny amperinasa rehefa nisotro ronono ny Jly Ranjeva Marcel, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Jly Ravalomanana Richard teny Ambohitsirohotra, omaly. Nankasitraka ny andraikitra nomena azy, ho lehiben’ny mariboninahi-pirenena kosa ny Jly Ranjeva Marcel tamin’izao fihaonana izao. Nolanian’ny Antenimierandoholona tsy nasiam-panovana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola, taona 2024. Tamin’ny […]
Fandrindrana ny tohin’ny tolona : nanangana ny «Cellule de crise» ny vondron’ny kandidà
Nambaran’ny vondron’ny kandidà «C11», omaly, fa tafatsangana ny «Cellule de crise». Natao hamaritra sy handrindra ireo hetsika rehetra hatao manerana an’i Madagasikara manomboka amin’ny herinandro ho avy izao izany. Etsy andaniny, efa namolavola lalàm-pifidianana vaovao ny eo anivon’ny C11. Natao hanatsarana ny lalàna efa misy izany, araka ny nambaran’izy ireo […]




