Mois : décembre 2023

Manova vao mandroso

  Ambetitenin’ny Malagasy tsivakivolo ny hoe tsy handroso intsony, rahoviana vao handroso…Tonga hatrany amin’ny sangisangy zary tenany hoe ” fohazy Aho rehefa mandroso”, oha-pitenenan’ny amiraly Ratsiraka Didier. Mba atao sanatrian-dresaka ve?  Sanatrian’ny vava ladian’ ny lela.  Tsy misy voaozona tahaka izany fa misy foana ny fanantenana. Fanantenana arahim-pinoana sy ezaka […]

Fianianan’ny filohan’ny Repoblika : hiatrana ny Emmo/Nat, voarara ny hetsika politika

Hentitra ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jly Ravalomanana Richard sy ny prefet de police, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Nampitandrina ireo halaim-panahy hanakorontana izy ireo amin’izao hanaovan’ny filohan’ny Repoblika fianianana izao. Nambaran’ny prefet de police, ny Jly Ravelo­narivo Angelo fa hihamafy kokoa ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana. “Voarara ny hetsika […]

TSELATRA

Mpanao gazety iray naratra nodarohana telo lahy tetsy Paraky, afakomaly. Nosakanan’ny andian-dehilahy avy nisotrosotro izy. Nidina hanisaka ireo lehilahy nibahana ny lalan’ny moto nentiny io mpanao gazety io, kinanjo niharan’ny daroka sy vono. Zazavavy 5 taona niharan’ny fanolanana tao Ambatotokana, fokontany Ambalabe, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 desambra […]

Hanoro ilay toerana misy lohan’olona : dahalo roa maty rotiky ny balan’ny zandary

Dahalo maromaro no voarohirohy tamina trangana fanapahan-doha nisesisesy tao amin’ny distrikan’i Vondro­zo, ny herinandro teo. Roa tamin’ireo dahalo voasambotra no niaiky fa nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana na­hatapahan-doha ny renin’ny lefitry ny sefo fokontany Miari­narivo Andoharano, distrikan’i Vondrozo. Fantatra nandritra ny famotoran’ny zandary fa misy lavaka lehibe iray akaikin’ny renirano […]

Toamasina: tratra ny andian-jatovo mpitsindrona rôrô

Lasa toerana fivezivezen’ny kazarana zava-mahadomelina mahery vaika isan-karazany ny ao Toamasina. Tsy vitan’izany fa ireo tanora miandahy miambavy no tena manjifa izany sady tsy mifidy taona. Nanao hetsika manokana ny teo anivon’ny polisin’ny Fip ao Toamasina tarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Taorian’ny angom-baovao rehetra nataon’ny polisy no nahafantarana fa misy mivarotra […]