Mois : décembre 2023

TARATRY ny KANTO

Tontosa omaly, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny filatsahana an-tsirapo. Nisafidy ny Akany Fitahiantsoa ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, nanaovana “Tagnamaro”. Nanajary, nandoko, nanavao ny zaridaina sy nizara fanomezana ho an’ny ankizy ary fitaovana ho an’ny akany no natao nandritra izany. Nandramana ary nahomby. Fantatra fa hotohizana ny […]

Akademia Malagasy : omen-kasina i Régis Rajemisa-Raolison

« Oloben’ny teny, ny literatiora, ny kolontsaina malagasy ary ny fampianarana sy ny fanabeazana ». Ireo sehatra rehetra nosahanin’i Régis Rajemisa-Raolison, tao anatin’ny taona maro (1913 – 1990), no omen-kasina sy lanja, ao amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy eny Tsimbazaza, rahampitso ma­nomboka amin’ny 9 ora maraina. Famelabelaran-kevitra 10 no hotontosaina, mandritra ity andro […]

Tranombokim-pirenena : hisy velakevitra atolotr’i Hobiana

« Ny filalaovana amin’ny teny : siran-daokan’ny tantara » no lohahevitra nosafidin’ny Famoloana Telozoro, iompanan’ny velakevitra anio. Hitarika izany i Hobiana Andrianimerina, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. « Na inona na inona dia ny asa soratr’izay nahay niangaly fitantarana no hitoetra, fa tsy izay nitantara rehetra akory », hoy […]

« Prix international de littérature francophone » : Lasan-dRaharimanana Jean Luc ny amboaran’ny taona 2023

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an-dRaharimanana Jean Luc. Hatolotra azy rahampitso indray ny « Prix international de littérature francophone Benjamin Fondane 2023 ». Tanterahina ny 7 desambra 2023, ao amin’ny Institut culturel Roumain, ao Paris Frantsa, ny lanonana fanolorana ny “Prix international de littérature francophone Benjamin Fondane”, taona 2023. Lasan-dRaharimanana Jean Luc, […]

Olona manana fahasembanana : manomboka amin’ny fahazazana ka hatreny anivon’ny tontolon’ny asa ny sakana

154 000 na 0,6% amin’ny mponina eto Mada­gasi­ka­ra no manana fa­hasembanana ara-batana, ara-pahitana, ara-pi­hainoana, ara-tsai­na, araka ny fanisam-bahoaka nataon’ny RGPH-3, tamin’ny taona 2021. Maro karazana ny fahasembanana mahazo sy miseho eo amin’ny olombelona. Misy ireo sembana hatrany am-bohoka, ny fahasembanana ara-tsaina sy ara-batana. Eo koa ny loza na aretina nihatra […]