Mois : décembre 2023

Fanomanan-tena: hidona amin’i Maroc sy i Mozambique ny Barea

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina amin’ny volana janoary ireo lalao roa ireo. Tafiditra ao anatin’ny fa­nomanan-tenan’ny ekipam-pirenena Mala­gasy, dia mety hisy lalao ara-pirahalahiana hifandonan’ny Barea amin’i Maroc sy i Mozambique. Nanambara izany i Rakotondrabe Romuald Felix (Rôrô), mpanazatra ny Barea, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, afakomaly. Raha tsy misy ny fiovana, […]

EDSTII – Écoles doctorales (D1) : misokatra ny fisoratana anarana

Misokatra ny fandraisana fisoratana anarana ho an’ny Ecole doctorale en sciences et techniques de l’ingénierie et de l’innovation (D1) EDSTII, eny anivon’ny onivesiten’Anta­nanarivo. Natokana ho an’ny olona manana ny mari-pahaizana Master na DEA avy amin’ny sekoly ambony Von­tovorona, IST, IES ho an’ny taom-pianarana 2023-2024 izany. Lalam-piofanana sivy no afaka isoratana […]

INDRAY MIJERY

Misy mpiray ombon’antoka azo ambara ho matihanina no tsy maharaka ny fivoaran’ny fiheverana ny fahasembanana, ka miteraka olana amin’ny fifehezana ny fampiatiana. Io ny nambaran’ny filohan’ny tambajotra malagasy ho an’ny fahasembanana, Rakotondrazafy Falihery. Entanina ny mpiasan’ny fahasalamana hanao tomban’ezaka ny asa vita rehetra nandritra ny taona amin’ny sampana misy azy […]

HUJR BEFELATANANA: tanora no betsaka voan’ny Sida, hoy ny profesora Mamy Randria

Mitondra fanazavana lehiben’ny sampandraharahan’ny areti-mifindra ao amin’ny CHUJR Befelatanana fa tena misy ny aretina VIH/Sida. Mihabetsaka ny olona marary raisin’izy ireo an-tanana ankehitriny. “Ny tanora no tena betsaka voan’ny Sida sy mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Misy koa ny olon-dehibe mihoatra ny 60 taona”, hoy ny profesora Mamy Randria. Misy dingana […]