Anisan’ny hataon’ny filoha Rajoelina laharam-pahamehana, manomboka amin’io taona ho avy io, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampananana asa. Ho tohizana koa ny fanomezana titra tany (titre vert) ny tanora nahomby amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Ho lasan’izy ireo tanteraka ny tany afaka dimy taona […]
Mois : décembre 2023
Mahajanga: saika havadika zezika ireo vary 50 kaontenera simba
Natsahatra ny fanodinana ireo vary 50 kaontenera simba ao Mahajanga taorian’ny resabe niely teny anivon’ny fiarahamonina. Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha momba ilay vary simba 50 kaontenera mitoby ao amin’ny orinasa Vison Madagascar,Vima, (Sotema taloha), ao Mahajanga. Niely ny feo fa haparitaka eny an-tsena ireo vary ao anaty […]
Farihy Tsimanampetsotsa: arovana ny trondro jamba mitoho
Karazan-trondro jamba ny mitoho, antsoina hoe : « Typhleotris madagascariensis ». Tsy hita maneran-tany afa-tsy any amin’ny faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara, toy ny ao anatin’ny zohy valanjavaboahary arovana ao Tsimanampetsotsa, Toliara. Mitantana ity toerana ity ny Madagascar National Park (MNP), miara-miasa amin’ny Vondrona olona ifotony (VOI). Manana ny kolontsainy mampiavaka azy ny mponina […]
Tranga
Lehilahy iray maty voatsatok’antsy tetsy Ambatomirahavavy, ny faran’ny herinandro. Mpiambina no asany. Natory tao amin’ny trano andalam-panamboarana hiasany, araka izany, izy. Nipotsaka ny tsinain’io lehilahy io noho ny vono nahazo azy. Tsy nisy nipika anefa ny vola 470 000 Ar napetrak’olona tao aminy. Karohin’ny mpitandro filaminana ilay mpamily ny kamiao nitondra […]
Madirovalo: dahalo iray lavon’ny zandary
Lavon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonana ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Ambahivaha, kaominina Madirovalo, ny alin’ny 26 desambra teo. Nanara-dia io mpangalatra omby io sy ny namany ny zandary miasa ao an-toerana. 2 km mivoaka miankandrefana ny tanàna, raikitra ny fifandonana mahery vaika tamin’ireo olon-dratsy. Tsy nihemotra ny […]




