Handaha-teny ho an’ny vahoaka malagasy, tahaka ny fanao isaky ny faran’ny taona, ny filohan’ny Repoblika, ny harivan’ny alahady 31 desambra izao. Maromaro ireo olana eto amin’ny firenena tokony hovahana, andrasana amin’ny kabariny. Anisan’izany ny olana lehibe ho an’ny rehetra toy ny herinaratra sy ny rano, raha ny eto an-drenivohitra sy […]
Mois : décembre 2023
Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Fidiram-bola no maika amin’ny sosialim-bahoaka”
Anisan’ny ho vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao ny amin’ny maha olona. Inona no tena zava-dehibe maika? Maneho ny heviny ny olompirenena tsotra, maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Tsy sakafo fotsiny no mahamaika amin’ny sosialim-bahoaka, fa ny fidiram-bola”. Fanehoan-kevitra… Gazety Taratra (*): Inona no maika amin’ny hoe sosialim-bahoaka […]
Fanohizana ny tolona: nandinika ny paikady ny C11
Nivoaka omaly, ny tatitry ny fivorian’ny Vondron’ireo kandidà (C11), natao ny 26 desambra teo. Nivoitra tamin’izany ny nandinihina ny paikady hanohizana ny tolona manomboka amin’ny fiandohan’ny volana janoary, araka ny tatitra. Nohamafisina tamin’izany fa tsy miova ny foto-kevitra ijoroana sy ny notakina hatramin’izay. “Tsy misy afa-tsy ny fiverenantsika amin’ny tany […]
Hanan-danja ny fifidianana kaominaly
Efa mandeha indray izao ny hoe tsy misy kaominina hadino amin’ny fampandrosoana fa tsy ny distrika ihany. Hanao ahoana? Antenaina fa hisy fiovana ny fampandrosoana ifotony eny anivon’ny kaominina amin’izany. Eo aloha ny fahalanian’ny tolo-dalàna fanalavana fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna ho dimy taona, raha efa-taona izany teo aloha. Hahazoany mamita ny […]
Taratry ny kanto
Hanakatonana ny taona, hanatanteraka antsa malalaka ireo mpanoratra sady mpiantsa tononkalo. Hetsika ho an’ny literatiora, hotanterahina ny alahady 31 desambra, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny « park botanique » Tsimbazaza. Asaina avokoa ireo tia miantsa, manoratra, mihaino ary miaina ao anaty tononkalo, raha ny nambaran’ny mpikarakara. Mbola sarotra ho an’ny […]




