Voafidy fanindroany ho filohan’ny Repoblika indray ny kandida Andry Rajoelina. Nahazo vato 58,96% tamin’ny fihodinana voalahany izy. Fianianana sisa andrasana. Efa nampoizina. 58,96% ny salanisan’ny vato azon’ny kandidà lah.3 “Ambara fa voafidy ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany Rajoelina Andry”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana […]
Mois : décembre 2023
TSELATRA
Hiakatra fitsarana ny 16 janoary 2024 izao ireo kolonelin’ny Tafika roa lahy voarohirohy tamin’ny raharaha fanakorontanana, araka ny nambaran’ny Tonian’ny mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antanananarivo, omaly. Tazomina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana, araka izany, izy roa ireo. Intelo voatafiky ny dahalo ny fokontany Ambatofotsy, kaominina Bemahatazana, Bongolava, […]
Lozam-pifamoivoizana : vaosambotra ilay mpitondra posy namoa-doza
Voasambotry ny polisim-pirenena nanao ny fanadihadiana ilay mpitari-posy namoa-doza tao amin’ny Boulevard Ralaimongo, 500 metatra tsy hidirana ny vavahady lehiben’ny seranantsambon’ i Toamasina, ny alakamisy 30 novambra teo, tamin’ny 6 ora sy 45 minitra. Namoy ny ainy vokatry ny tsy fitandreman’io mpamily posy io ny raim-pianakaviana iray 68 taona. Nahitana […]
Tetezan’i Bekiraro : tovolahy voatsatoka antsy teo amin’ny lohany
Tsy misy filaminana mihitsy ! Nitrangana fanendahana indray teny Tetezan’i Bekiraro Isotry, omaly maraina. Tovolahy iray 25 taona handeha hiasa vao maraina no nifanehatra tamin’ny jiolahy telo nitondra antsy sy sabatra. Mpikirakira informatika ny asan’ity tovolahy niharam-boina ity ka lasan’ireo mpanendaka ny kitapo misy ordinatera miampy kojakoja samihafa tao anatiny. Efa […]
Halatra taolam-paty: dimy lahy voaheloka mandra-pahafatiny
Nasiaka ny mpitsara nandritra ny fotoam-pitsarana momba ny raharaha ady heloka bevava ny afakomaly, tao amin’ny fitsarana ambony Toamasina. Dimy lahy voaheloka higadra mandra-pahafaty noho ny raharaha halatra taolam-paty. Nilatsaka ny fanamelohana asa an-terivozona mandra-pahaty ho an’ ireo dimy lahy tompon’antoka tamina halatra taolam-paty, araka ny antontan-taratasin’ ady roa samihafa. […]




