Hotanterahina anio, etsy amin’ny HCC, ny lanonam-panjakana famoahana ny voka-pifidianana filoham-pirenena. Tsy hiova firy amin’ny efa navoakan’ny Ceni ny hambaran’ireo mpitsara avo na eo aza ireo tsy fahatomombanana sy fitoriana. Hisongadina eo amin’ny tapany voalohany amin’izany ny fitanisana ireo fitoriana na fitarainana miisa 15, arahin’ny valin’izany, ho entin’ireo mpitsara. Samy […]
Mois : décembre 2023
TSELATRA
Fiara tsy mataho-dalana iray nifatratra tany anaty tanimbary tetsy Tsarasaotra, omaly atoandro. Avy nifaoka fiaran’olon-tsotra , nitsoaka nandositra io fiara io, nentin’ny mpamily. Nivarina tany an-tanimbary anefa izy rehefa nahazo ny lalam-baovao mampitohy an’Ivato sy Tsarasaotra. Tsy hita popoka ilay mpamily ny fiara. Lehilahy mpivarotra rongony voasambotry ny polisin’ny STUP […]
Maro ireo efa voafitaka…: tratra ireo jiolahy milaza ho mahay mampitombo vola
Tratran’ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava Toamasina, omaly, ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny fisolokiana olona ao Soanierana Ivongo. Milaza ho mahay mampitombo vola sy mampanan-karena olona ry zalahy ireto. Mody mifampiresaka amina fanahy tsy hita maso ireto mpisoloky mba hampitomboana ny vola tadiavin’ireo olona solokiany. Miantso olona solokiany amina finday ry […]
Maevatanana: Jiolahy namaky tranona zandary
Jiolahy iray maty voatifitra rehefa niditra tao amin’ny faritry ny tranon’ny zandary iray miasa ao Maevatanana, afakomaly alina. Fantatra, araka ny fampitam-baovao nomen’ny zandary, fa trano roa no notafihan’izy ireo tamin’io alina io ka anisan’izany ny tranona zandary iray io. Henon’ilay mpitandro filaminana anefa izany ka voatifitra avy hatrany izy. […]
Famonoana an’i Ntsoa VHF: migadra 20 taona ilay mpamily, 7 taona ho an’ilay sakaizany
20 taona an-tranomaizina ny sazy azon’ilay mpamily nahavanon-doza namono an’i Ntsoa VHF, taorian’ny didim-pitsarana tetsy Anosy, omaly. Tsy afa-bela tamin’ny raharaha famonoana an’i Ntsoa VHF, ny sakaizany sy ilay mpamily fiara. Nandray anjara mivantana tamin’ny fanaperana ny ain’io mpanakanto io izy roa ireo. Atidoha nikotrika ny famonoana an’i Ntsoa ny sakaizany ary namono […]




