Mois : décembre 2023

Fiovan’ny toetr’andro: laharana fahefatra farany marefo i Madagasikara

Laharana fahefatra alohan’ny farany amin’ny faharefoana amin’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Nisehoan’ny fiovan’ny toetr’andro voalohany indrindra tany amin’ny faritra Atsimo, tamin’ny taona 1950. Niitatra tany amin’ny faritra Avaratra izany, tamin’ny taona 1970, araka ny tatitra navoakan’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro (DGM) tamin’ny taona 2008. Mandrora miantsilany ny olombelona satria manimba […]

MFM: “Tsy misy ny fiatoana politika” 

“Efa mahazatra isan-taona ny an’ny MFM, satria ny 27 desambra no fankalazana ny nijoroany”, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, ny amin’ny tsingerin-taona nijoroan’ny MFM anio, 27 desambra 1972.  Tsy hisian’ny fiatoana politika ao anatin’ny fetin’ny Krismasy sy ny fitsenana ny taona vaovao izany, fa misy zavatra […]

Fantina sy fintina

Nampita hafatra noho ny fetin’ny Noely ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Nambarany fa ilaina ny fanetren-tena ary mametraka ny fiainan’ny firenena. “Fandaminana avy amin’ny Tompo ny zava-miseho ary aza matahotra. Aoka hanaiky ny sedra“, hoy izy. Vonona hiatrika ireo fifidianana rehetra ho avy ny antoko Tsara Tahafina, tarihin’i Paraina Auguste. […]

Minisiteran’ny Fitsarana: nohamafisina ny filaminana eny anivon’ny fonja

Namory ireo tomponandraikitra ambony rehetra eo amin’ny fitantanana ny fonja ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny herinandro teo. Fepetra maromaro no noraisina tamin’izany. Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisina ny fanamafisana ny filaminana anatin’ny fonja. Tafiditra indrindra ho amin’ny fitsinjovana ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka amin’ny ankapobeny izany. “Tsy azo ekena […]

Miova andriana !

Miova sata, miova andriana…sa miova andriana ka manova sata? Samy mety hilazana ny zava-misy momba ny tontolo politika eto amin’ny firenena ireo. Iza tokoa no tsy sasa-miandry izay ho firafitry ny governemanta vaovao ho avy eo? Izay tsy misy mipika hatramin’izao ny ho mpikambana ao anatiny. Ny governemanta izay nametra-pialana […]