Namory ireo tomponandraikitra ambony rehetra eo amin’ny fitantanana ny fonja ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny herinandro teo. Fepetra maromaro no noraisina tamin’izany.
Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisina ny fanamafisana ny filaminana anatin’ny fonja. Tafiditra indrindra ho amin’ny fitsinjovana ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka amin’ny ankapobeny izany. “Tsy azo ekena velively ny goragora sy ny gaboraraka ary ny tandrevaka eny anivon’ny fonja”, hoy ny minisitra. Noraisina izany fepetra sy fanapahan-kevitra manokana izany amin’izao fiatrehana ny fety izao. Teo koa ny fampahatsiahivana ny fanajana ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fonja sy ny fitsipi-pitondran-tena ary ny etikan’ireo rehetra misahana ny asa eny anivon’ireny toeram-panarenana ireny.
Handraisana fepetra ireo tsy manara-dalàna
Etsy andaniny, nomena toromarika ny amin’ny hidinan’ireo talem-paritra rehetra eny amin’ny fonja eo ambany fiadidiany izy ireo, mba hanarahany maso ny asan’ny lehiben’ny fonja. Manampy izany ny amin’ny tokony hanatsarana ny fiaraha-miasan’ny fitsarana sy ny eo anivon’ny fandraharahana ny fonja ao anatin’ny fanajana ny lalàna hatrany. “Tsy maintsy raisina ny fepetra ho an’ireo minia tsy manaraka ny lalàna sy ny toromarika napetraka“, hoy ihany ny minisitra.
Samy naneho fahavonona ny tomponandraikitra rehetra amin’ny hanatanterahana izany toromarika rehetra izany.
Tsiahivina fa fivoriana mivantana sy nampitain-davitra izao natao izao niaraha tamin’ny tale jeneralin’ny fonja sy ireo tomponandraikitry ny fandraharahana ny fonja.
Synèse R.




