Mois : décembre 2023

Nandritra ny fetin’ny krismasy: olona efatra namono tena

Vehivavy roa sy lehilahy roa namono tena fa avotry ny mpitsabo tetsy amin’ny HJRA, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely teo. Nahitam-pihenana kosa ny antontanisan’ny olona niditra hopitaly. « Amin’ny ankapobeny, ny tsy fahazakana sakafo nandritra ny fety sy ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana no tena antony nahamaro ny tranga nidiran’ny olona […]

Sombim-baovao

Norombahin’ny Manchester City, anglisy klioba ny famaranan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ireo klioba “Mondial de Club 2023”. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 0 ny Fluminense Brezila ekipa. Marihina fa nahazo amboara efatra ny Manchester City tamin’ny taom-pilalaovana 2022-2023. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny  […]

Basikety-FIBA WABC LEVEL 1: Malagasy mpanazatra roa afa-panadinana

Nanome fiofanana ho an’ny mpanazatra avy amin’ny firenena 4 (Maorisy, Seychelles, Kaomoro ary Madagasikara) ny manampahaizana avy amin’ny FIBA, Uariachi Naoufal, ny fiandohan’ity volana desambra ity. Fiofanana natao tany Maorisy, nandritra ny 7 andro. Mpiofana mpanazatra 14 mianadahy no nanaraka izany ka Malagasy ny roa amin’izy ireo. Nisy ny fanadinana […]

AJS Mada Tsiadana: miisa 70  mahery ireo ankizy nanatrika ny « get into rugby »

Notanterahina ny alahady 24 desambra lasa teo, teny amin’ny kianjan’ny Oni­versite Ankatso, ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny Association des jeunes sportifs (AJS) Mada Tsiadana. Miisa 70 mahery teo ireo ankizy, lahy sy vavy, tonga nanatrika ny hetsika “get into rugby”, teny an-toerana. Marihina fa avy amin’ny sekoly rugby miisa […]