Mois : décembre 2023

Lalam-pirenena fahefatra: nohamafisina ny fandriampahalemana

Taorian’ny fanafihana taksiborosy teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, nampitovy tadin-dokanga ho fisorohana ny tsy fandriampahalemana ireo mpisehatra voakasik’izany ka nampahatsiahy ireo lamina napetraka ary namolavola paikady vaovao hampiharina. Anisan’ny nidina ifotony teny amin’ny tobim-piantsonana nasionaly, tao Aranta Mahajanga, ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena, ny minisiteran’ny Fitaterana ary ny antokondraharaha misahana ny fitaterana […]

Vaovao tambatra

Manodidina ny 10,5% ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny hatramin’ny volana aogositra 2023, araka ny fanadihadian’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Anisan’ny anton’ny fitotongan’ny sandam-bola Ariary. Tokony ho 9,5% ny vinavinany ny tany am-boalohany. Ho an’ny Ivontoeran’ny antontanisam-pirenana Instat, anefa, 8,5% ny tarehimarika navoakany. Tsy mbola nivoaka ny antontanisa farany ho an’ny taona 2023. […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo: mitohy ny fanohanana mivantana ny tantsaha

Anisan’ny hifantohan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny fanajariana ny lemaka sy ny fizarana kojakojam-pamokarana. Eo koa ny fizarana titra tany maitso (titre vert) ho an’ny tanora, sy fanomezana tohana amin’ny fiompiana.  Tanjona napetraky ny fanjakana, tanterahin’ny minisiteran’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Fomba hanatrarana izany […]

Jery todika 2023: sahirana ny Madagascar Airlines

Misedra ara-bola ny kaompania Air Madagascar. Tsy misy ny fiaramanidina miantoka ny zotra lavitr’ezaka, toy ny mankany Eoropa. Vahaolana, nentin’ny tale jeneraly, ankehitriny, Thierry de Bailleuil, ny hindramam-bola any amin’ny Banky iraisam-pirenena, ao anatin’ny drafi-panarenana « Phenix 2030 ». Mahatratra 20 dolara ny sora-bola mety ho hampindraminy. Miato ankehitriny ny fitateran’ny Madagascar […]

Taratry ny kanto

« Escalader le ciel ». Mitohy hatramin’ny 14 janoary 2024, ny fandraisana anjara amin’ny « Concours International d’écriture Chansons sans frontières », andiany faha-18. Fifaninanana lahatsoratra sy hira amin’ny teny Frantsay, natao ho an’ny olona rehetra monina ivelan’ny Frantsa, indrindra ny aty Afrika. « Escalader le ciel » no lohahevitr’ity andiany faha-18 ity. « Prix Paritana ». Misokatra […]