Mois : décembre 2023

100 andron’ny filohan’ny Repoblika : hofantenana ireo sahirana hisitraka trano sy tany

Manomboka avy hatrany ny asa. Navoaka ny drafitrasa 100 andron’ny filohan’ny Repoblika. Misongadina ny  sosialy sy ny fambolena ary ny fahasalamam-bahoaka. Hotsinjovina manokana ireo tokantrano tena sahirana ka hofanina mandritra ny 3 volana amin’ny fambolena sy fiompiana ao anatin’ilay teknika « PFUMVUDZA ». Efa nahitana vokatra tsara tany amin’ny firenena […]

TSELATRA

Manao ny ataony mihitsy ny jiolahy mandritra ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Maro tamin’ireo mpandeha taxi-be no voaroba finday sy firavaka volamena teny Anosibe sy lalana miditra ny Cenam 67 ha, omaly. Misy amin’ireo jiolahy no voalaza fa mamoha ny varavaran’ny fiara ka maka ny poketra na ny entan’ireo olona ao anaty […]

Ambohimangakely : jiolahy iray lavon’ny balan’ny zandary

Maty rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifanenjehana teny Ambohimangakely, omaly, ny jiolahy iray nanafika olona hanatitra vola 79 tapitrisa Ar any amin’ny banky. Vola an’olona mpivarotra ao Ambo­himangakely no notafihan’ny jiolahy nandeha moto Scooter, raha hihazo an’Ankorondrano. Fantatra nandritra ny fanafi­hana fa tovolahy iray mpiasa taloha tao amin’ilay fivarotana […]

Antsapanimahazo : naterim-badiny tany amin’ny zandary ny basy

Nivoaka tao amin’ny adina mpivady ny marina rehetra momba ny fisiana basy tsy ara-dalàna notazomim-badiny tao Antsapanimahazo, afakomaly. Nifamaly izy mivady ka niafara tamin’ny daroka sy ny fifampikasihan-tanana izany. Tsika­ritr’ilay renim-pianakaviana ho hafahafa mitovy amin’ny basy anefa ny fonosan-javatra tao anaty lamba namelesany azy. Nampandre haingana ny zandary ilay ramatoa […]