Manomboka avy hatrany ny asa. Navoaka ny drafitrasa 100 andron’ny filohan’ny Repoblika. Misongadina ny sosialy sy ny fambolena ary ny fahasalamam-bahoaka.
Hotsinjovina manokana ireo tokantrano tena sahirana ka hofanina mandritra ny 3 volana amin’ny fambolena sy fiompiana ao anatin’ilay teknika « PFUMVUDZA ». Efa nahitana vokatra tsara tany amin’ny firenena afrikana maro izany. Homena tany ahafahana manangana trano sy tanimboly izy ireo, ahafahany manorina fiainana vaovao mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono, ao anatin’ny tetikasa «Titre vert». Ho lasan’izy ireo tanteraka ny tany afaka 5 taona, raha voahaja ny fepetra sy ny fitsipi-pifehezana apetraka. Nomena toromarika hanomboka ny asa avy hatrany ny minisitra voakasika. Efa hita rahateo ny tany hanaovana ny tetikasa. “Hirosoana avy hatrany ny fifantenana ireo fianakaviana tena sahirana hisitraka ny tetikasa. Hiparitaka manerana ny Nosy izy ity ary hanomboka tsy ho ela ny fampiofanana”, hoy ny tatitry ny filankevitry ny ministra.
Fanabeazana aizana
Hatao maimaimpoana ny fanabeazana aizana ho an’ny renim-pianakaviana, amin’ny hopitalim-panjakana rehetra. Nampiharina avy hatrany izany nanomboka omaly.
Etsy andaniny, hentitra ny Filoham-pirenena manoloana ny fidangan’ny vidim-bary, mba hanampiana azy ireo amin’ny alalan’ny fivarotana ny Vary mora. Hamafisina koa ny lafiny fandriampahalemana ka tokony ho afaka manao vonjy taitra avy hatrany ny mpitandro filaminana raha misy ny tranga miseho.
Havaozina ny biraom-pokontany ary hapetraka ny komity “Loharano” handrindra ny sosialy sy ny fiarahamonina. Hofidina ho mpikambana amin’izany ireo mpiasam-panjakana misotro ronono sy ireo raiamandreny to teny.
Synèse R.




