Natao omaly 13 janoary, ny hetsika « Mizara hafaliana » an’ny orinasa Telma, ho an’ireo ankizy beazina ao amin’ny fikambanana Orchidée blanche, Androhibe. Hetsika manokana nentin’ity orinasa ity nisantarana ny taona vaovao 2024, sady nanatonana mivantana ny mpanjifa. Nisy ny fizarana kojakoja Telma samihafa (goodies), ho endrik’izay fizarana hafaliana izay.
Nilaza Andrianarivony Faralalao, mpandrindra ny fanabeazana ao amin’ny Orchidée Blanche, fa miisa 115 ny ankizy sy olona taizaina ao amin’izy ireo, 3 hatramin’ny 60 taona. Manana fahasembanana ara-tsaina, saingy tanjona ny hampahaleo tena azy ireo. Ampianarina miahy tena, sady beazina toy ny olon-drehetra. Tsy misy ny kilasimandry, fa mody any amin’ny ray aman-dreniny avy, satria manana andraikitra koa izy ireo.
Misy ny fampianarana sy famokarana, toy ny fanamboarana tsaoka (la craie), ny fanamainana karazana akora na vokatra, ny fambolena legioma, sns.
Mankalaza ny faha-50 taonany ny Orchidée Blanche, ary efa misitraka izany ity Fizarana hafaliana iarahana amin’ny Telma, izay mpiara-miombon’antoka amin’izy ireo ity.
Tsiahivina fa misy manerana ny tanàn-dehibe maromaro eto amintsika ny “Mizara Hafaliana”, ataon’ny Telma, toy ny any Antsiranana, Nosy Be, Toamasina, Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa, Morondava, Antsirabe, Taolagnaro ary Antananarivo.
Njaka A.