Fahombiazana ny fifampizarana noentin-dRandresiarivony Anjaratiana, nandritra ny “Open Mat”, nataony teny amin’ ny Dojo Esca, ny alakamisy lasa teo. Tonga maro ireo Malagasy mpikatroka naka traikefa taminy, nandritra ny ora roa. Tafakatra 100 mahery ny mpikatroka namaly ny antsony, izay tena nahafaly azy tokoa. Nisy ireo vao manomboka manao Jiu-jitsu, nisy ihany koa ireo efa manana grady nanatrika ny fifampizarana. “Fotoana nahafahako nizara ny traikefako ity fifampizarana ity, nahafahako nanome torohevitra sy fampiharana eo amin’ny ady atao”, hoy ny nambaran’ity Malagasy mpikatroka, mila ravinahitra any Eoropa, ity. Tsy hijanona hatreo fa mbola mikasa hanohy ny fifampizarana amin’ny faran’ity volana janoary ity, i Anjaratiana, mialoha ny handaozany an’i Madagasikara, afaka roa herinandro.
Manana hoavy tsara, hoy izy, ny Malagasy mpikatroka Jiu-jitsu ary mivoatra hatrany. Tsiahivina, nanomboka niditra teo amin’ny tontolon’ny Jiu-jitsu, tao amin’ny Southside, i Anjaratiana ny taona 2014. Ao amin’ny Prana Family any Eoropa no misy azy ankehitriny. Nanomboka tepana fotsy izy no tao amin’ity farany ary izao efa manana tepana mainty izao. Ankoatra ny maha mpikatroka azy, mpanazatra lefitra ao amin’ny kliobany ihany koa i Anjaratiana ary nahazo mari-pahaizana momba izany mihitsy.
Izany indrindra no tena nandrisika azy hizara ny traikefany amin’ny Malagasy mpikatroka mitovy aminy.
Mi.Raz




