Nanao fampahatsiahivana ny kaominina Antananarivo Renivohitra mahakasika ny fahadiovan’ireo mpivarotra sy ny toerana ivarotany, araka ny voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana.
Mila manaraka ireo fenitra napetraka ny mpivarotra. Voarara ny varotra rehetra ivelan’ ny tsena. Ireo tsena rehetra tsy maintsy anaovana fanadiovana faobe matetika, isorohana ny otrikaretina ary hamonoana ireo bibikely.
Tsy maintsy manana kifafa sy fitoeram-pako ho azy manokana ireo mpivarotra rehetra. Ireo mpivarotra tsirairay avy ihany koa no manary ny fakony any amin’ny dabam-pako iombonana manomboka amin’ny 5 ora hariva mandra-pikaton’ny tsenany.
Ireo mpivarotra hani-masaka kosa dia tsy maintsy manasa sy manadio ny toerana nivarotany alohan’ny hikatonany.
Andoavana sazy arahina fandraofana ireo entana avy hatrany ny tsy fanarahana ireo fepetra sy fandaminana efa napetraka sy nifanarahana ireo, raha ny fanazavan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Ny hita sy tsapa, maloto ny tanàna amin’ny hariva satria avelan’ireo mpivarotra eny rehetra eny ny fakon’ireo entam-barotra, toy ny baoritra sy plastika fonon’entana. Entin’ny riaka manentsina ny lakandrano ireny rehefa avy ny orana.
Tatiana A




