Nanomboka omaly, tany Kaomoro, ny fiadiana ny tompondakan’ny CAVB Zone 7, taranja Beach Volley-ball. Tsy lasa tamin’ny ora farany ny solontena malagasy roa lahy, i Thierry Robsel sy Rakotoarison Willot. Araka ny fanazavana nentin’ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ ny Volley-ball, olana teo amin’ny toetr’andro no antony tsy nahalasa azy ireo. Tany Mahajanga mantsy no tokony ho niaingan’izy ireo ny talata lasa teo, saingy tsy afaka niainga ilay sambo, noho ny haratsian’ny andro. Tsiahivina fa efa nanoman-tena andro maro tany Mahajanga ireto Malagasy mpilalao ireto ary tena efa vonona tokoa kanefa izao tratran’ny tsy nampoizina izao. Mizotra tsara kosa ny fifaninanana any Kaomoro, izay efa nanomboka omaly.
Mi.Raz




