USAID-Fampianarana : 10 tapitrisa dolara hanaovana ny tetikasa « Lova »

Hotanterahina any Atsimo Atsinanana sy Androy ny tetikasa “Lova”, vatsian’i Etazonia vola. Hisitraka tombony amin’izany ireo mpianatra an’aliny sy ny mpampianatra.

Hiantsehatra indray eo amin’ny fanampiana an’ i Madagasikara amin’ny sehatry ny fampianarana i Etazonia rehefa nampitsahatra izany tao anatin’ny 15 taona. Hotanterahina ny tetikasa “Lova” izay handrotsahana vola mitentina 10 tapitrisa dolara ary hotantanan’ny USAID.
Haharitra 5 taona ny asa ka mpianatra 65 000 any
amin’ny EPP miisa 500 no hisitraka tombontsoa amin’ izany. Mpampianatra 1 500 ihany koa no hahazo fiofanana ho tonga matihanina.
Hifantoka kokoa any amin’ ny faritra Atsimo Atsinanana sy Androy ny tetikasa, ireo faritra ireo izay anisan’ny ambany indrindra ny tahan’ny fahafahan’ny mpianatra misitraka fanabeazana ara-kalitao sy manara-penitra. Manamora ny fanatanterahana ny tetikasa ihany koa ny fisian’ireo fandaharanasa hafa eny an-toerana izay efa vatsian’i Etazo­nia vola koa. Ny FHI 360 sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy no hanatanteraka ny tetikasa “Lova”.
Hanomezana fanofanana mpampianatra sy fitaovam-pianarana ary kilasy fanarenana mifantoka amin’ny famakiana teny sy kajy fototra. Mifototra amin’ny fomba fampianarana izay efa voaporofo sy voamarina ny fahombiazany.
“Ambany dia ambany ny taham-pahaizan’ny ankizy malagasy mamaky teny sy manao kajikajy tsotsotra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra”, hoy ny tale jeneralin’ny USAID/Madagasikara, Michele Russell.

Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, 96 isan-jaton’ny mpianatra eto Ma­dagasikara, eo amin’ny 6 hatramin’ny 10 taona, no tsy afaka mamaky andininy tsotra na efa namarana fianarana ambaratonga fototra aza.
Latsaky ny 4% amin’ ny mpampianatra ambaratonga fototra ihany no manana ny fahalalana fototra momba ny fampianarana ankizy sy momba ny taranja ampianariny. Tsy misitraka fanohanana avy amin’ny fanjakana izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: