Nitombo ho telo ny olona tsy hita vokatry ny orambe niseho nanomboka ny 16 janoary lasa teo, araka ny tatitry ny BNGRC omaly. Iray tany Boriziny, iray hafa any Mandritsara ary tany Ambanja ny fahatelo. Nitombo roa izany ny isa raha mbola iray no tsy hita afakomaly. Niampy koa ny olona maty satria lasa efatra ary tany amin’ny distrikan’i Boriziny ny olona vaovao namoy ny ainy. Nijanona ho efatra ihany ny olona naratra any amin’ny distrikan’Ikongo.
7 418 ny isan’ny traboina avy amina tokantrano 1 962; raha 2 668 ny olona nafindra toerana (tokantrano 649) ary amin’izao fotoana izao, 1 916 olona ( tokantrano 485) mipetraka amin’ny toeram-pandraisana iraisana fito, mahatratra 747 ny olona mialokaloka any amin’ny havany aloha. 1 971 ny trano dibo-drano, 25 simba ary tsy niova fa 14 ny efitrano fianarana nisy fahasimbana, efatra tsy misy tafo intsony ary roa rava tanteraka. 12 655 ha ny tanimbary difotry ny rano ka ny 11 813 ha amin’izany any amin’ny faritra Sofia avokoa. 205 ha ny tanimbary feno fasika tanteraka. Mbola mijanona ho faritra 10 no nitondra takaitra amin’ny vokatry ny orambe hatramin’ izao.
Vonjy




