Tazonina hanaovana famotorana, nanomboka afakomaly, ao amin’ny biraon’ny polisy, kaomisaria foibe Atsimondrano, ilay rangahy nandoro ny vadiny tao an-tranony, eny Mahabo Andoharanofotsy. Ny alin’ny faran’ny taona 2023, nisy trano may teny Mahabo Andoharanofotsy. May tao anatin’io trano io ny ramatoa lehibe iray. Novonjen’ny fokonolona izy ka nentina haingana tao amin’ny […]
Mois : janvier 2024
Andranomiely Ankazobe : mitsoa-ponenana ny mpiasam-panjakana
Tahotra noho ny asan-dahalo! Nitsoa-ponenana ny mpiasam-panjakana tao amin’ ny kaominina Andranomiely, distrikan’Ankazobe, taorian’ny namonoan’ny dahalo ny ben’ny Tanàna. Nahatsiaro tena ho mandry tsy lavo loha ireo mpampianatra sy dokotera miasa ao an-toerana ka samy nandao ny toeram-piasany avokoa. Etsy ankilany, miteraka fahasahiranana ho an’ireo mponina izany toe-javamisy izany. Nanatontosa […]
Carion : tratra ny jiolahy mpangalatra lalamby
Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Carion, omaly, ny jiolahy mpangalatra vy amin’ny lalamby. Nisy olona nahatsikaritra ity jiolahy ity mitondra jiro mivezivezy eo amin’ny tetezan’Andriakely ary misy fiara iray mijanona eo afovoan-dalana. Nampiahiahy ireo fokonolona teo an-tanàna izany ka nampandre ny zandary avy hatrany izy ireo. Nidina haingana teny […]
32 andro nalaina an-keriny: dimy mianaka natakalo 40 tapitrisa Ar
Iray volana mahery vao navotsotra ireo takalonaina miisa 5 nalaina tany Anjozorobe. Nandoa 40 tapitrisa Ar ny fianakaviana ho takalon’ny ain’izy ireo. Nandoa 40 tapitrisa Ar, tafaverina tamin’ny fianakaviany ny dimy mianadahy mianaka nalain’ny dahalo an-keriny tao Ambohibary Vohilena, ny alatsinainy teo. Nentin’ny olon-dratsy tany anaty ala avokoa ireo olona […]
INDRAY MIJERY
Ho betsaka ny rotsakorana any amin’ny faritra afovoany atsinanana, hatry ny omaly, sy any amin’ny faritra Diana, manomboka ny alahady. Noho ilay tangoron-drahona sy ny Zone de convergence inter-tropicale no mahatonga izany. Filazana fampitandremana miloko mena ho an’ny faritra Atsinanana ary miloko maitso ho an’ny Diana. Toeram-pampianarana teny sinoa lehibe […]




