Trangan’aretina telo no tena mpahazo ny zaza eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao. Nivoitra izany, araka ny fanazavan’ny Dr Andriamparany Nivoarilala, mpitsabo sady tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza, Tsaralalàna (CHUMET). Matetim-pitranga amin’izany ny aretin-tratra na ny Bronchiolite. Mikohoka sy manavy ary mety ho sempotra ilay […]
Mois : janvier 2024
Fokontany Manjakaray: novatsiana fitaovana ny sembana
Mihazakazaka ny fanatrarana ny tanjona amin’ny asa sosialy izay takina vokatra anatin’ny 100 andro. Nidina teny Manjakaray ny minisitry ny Mponina sy ny firaisan-kina, i Fomendraza Haingo Elisette, omaly. Namangy ireo tokantrano sahirana sy mitaiza olona manana fahasembanana mila tohana ny ekipa notarihiny. Tamin’izany no nanolorany seza misy kodiarana, natokana […]
Fandrindram-piterahana : vehivavy 3 tapitrisa mahery hisitraka anatin’ny 100 andro
Tafiditra ao anatin’ny andry lehibe telo iompanan’ny politika ankapoben’ny fanjakana amin’izao 5 taona manaraka izao ny sehatry ny fahasalamana. Hisitraka fandrindram-piterahana maimaimpoana ireo vehivavy 3 tapitrisa mahery… Nisongadina nandritra ny filankevitry ny minisitra afakomaly, ny momba ny fandrindram-piterahana izay hanaovana ezaka ao anatin’ny 100 andro. Vehivavy miisa 3 220 000, manerana […]
TARATRY ny KANTO
Nodimandry i Ngah Matoa. Mpiangaly ny rap gasy, Rakotondrabe Andriantsoa Tolotra, fantatra eo amin’ny tontolo amin’ny anarana hoe Ngah Matoa na Ngam. Mpanao tononkira masiaka sy mivantambatana izay no tena hitiavan’ny mpankafy rap azy. Efa betsaka ny seho nandraisany anjara, na ny “ambany gorodona” na ny goavana kokoa. Piment Café […]
Misaona indray ny Hiragasy: nodimandry Radona, Ramilison Besigara
Lasa namonjy an-dRamilison rainy, Zeze zokiny ary i Perline anabaviny ihany koa Radona. Nodimandry teo amin’ny faha-55 taonany Rafalison Joachin, fantatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ny hoe Radona. Toa ny vara-datsaka ny nahenoana ny vaovao ny alin’ny alarobia teo, ka nisesy ny fampaherezana ny fianakaviana sy ny tropy, ny fanomezam-boninahitra […]




