Azo anokafana kaonty Orange money na tambajotra hafa aza. Vita anatin’ny 5 minitra monja ny fanokafana izany. Fiovana goavana no entin’ny orinasa Orange Madagascar amin’ireto tolotra vaovao sy miavaka nampahafantarina omaly, tetsy Ankorondrano, ireto. Tsy mitsaha-mivoatra manaraka ny toetrandro sy manome fahafaham-po ny mpanjifa ny tontolon’ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara. Afaka […]
Mois : janvier 2024
Fitantanana mpiasa : azon’ny Telma ny Top employer 2024
Azon’ny Telma tato anatin’ny telo taona nisesy indray ny mari-pankasitrahana amin’ny fomba fampiasan’ny orinasa ny mpiasa, ny « Top employer 2024 ». Porofo manamarina ny ezaka ataon’ity orinasa ity ny kalitaon’ny fomba fitantanana ny mpiasa (RH) izao loka fanintelony izao, izay azo sokajiana ho fitaratra ho an’ny hafa. Ao anatin’izany ny karama, […]
Tetikasa Produir : miroso ny fanarenana ny lakandrano C3
Kihon-dalana lehibe ho an’ny fanatanterahana ny tetikasa « Produir” ny taona 2024. Voakasik’izany ny asa vaventy hatao eto Antananarivo sy ny manodidina, toy ny fanamafisana ny lakandrano C3, ny fanajariana an-tanàn-dehibe, sns. Hanomboka tsy ho ela ny andiany manaraka amin’ny asa fanamafisana ny sisin’ny lakandrano C3 eto Antananarivo. Ao anatin’izany ny […]
FANDOAVAN-KETRA: mbola malaina ny Malagasy, mila fanentanana bebe kokoa
Malaina mandoa hetra ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao. Mbola mila ezaka mafy ny fanentanana ny rehetra hanao izany. Ezaka ataon’ny kaominina maro ny fidinana eny ifotony, mitety fokontany, mba hanentanana ny olona mahakasika izany. Efa nisy ihany koa ny ezaka nataon’ny Foibem-pitantanana ankapoben’ny hetra manoloana izany. […]
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ny didim-panjakana noraisina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny Alarobia teo, ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny governoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcelin, sy ny an’ny faritra Melaky, Ratsitohara Patrick, ary ny an’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny Dr Mahafaky Justin. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena […]




