Mois : janvier 2024

Mahay mifampitsinjo

  Araka ny efa fantatsika, mirongatra ny areti-maso amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Areti-mifindra saingy azo tsaboina tsara. Midika izany fa tsy azo tsinontsinoavina ny fiparitahany. Toraka izany ny fomba fisehony amin’ny marary. Mitaky fitandremana lehibe sy matotra. Tsy vitan’ny mpitsabo na ny mpitondra fanjakana samy irery ny fanentanana […]

Filoha Rajoelina Andry: “Manana adidy goavana ianareo manamboninahitra”

Niarahaba ireo manamboninahitra noho ny 12 jona, Andron’ny manamboninahitra, ny filohan’ny Repoblika. Nampita hafatra sy fampahatsiahivana azy ireo, indrindra amin’izao fe-potoam-piasana manaraka izao ny filoha faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry. Nambarany fa natao hanehoana firaisan-kina sy firaisan-tsaina eo anivon’ny Foloalindahy ny Andron’ny manamboninahitra. “Nanolo-tena hanompo tanindrazana ary manana adidy goavana eto […]

TSELATRA

Dimy lahy tsy ampy taona voasambotry ny polisy tao Mahajanga. Manendaka eny amin’ny faritr’i Tsararano sy ny manodidina izy ireo. Nanao paikady manokana nanatrarana ireto tontakely ireto ny mpitandro filaminana ao an-toerana noho ny hamaroan’ny fitarainana. Marihina fa 13 ka hatramin’ny 15 taona avokoa ireto andian-jatovo sarona ireto. Dahalo miisa […]

Naratra ireo mpiambina…: fiarabe mpitondra vola nivadika tao Vohipeno

Nivadika tampoka teny am-pandehanana ny fiarabe mpitondra vola, an’ny orinasa Brink’s, afakomaly, tao Vohi­peno. Avy any Vangaindrano handeha hihazo an’i Mana­kara ity fiarabe ity no tra-doza tampoka. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka nivoaka ny lalana ilay fiarabe. Naratra avokoa ireo […]

Andavamamba : mpandeha moto voatsatok’antsy

Naratra mafy voatsatok’antsy teo amin’ny kibony ny raim-pianakaviana iray 45 taona, teny Andavamamba, omaly vao maraina. Handeha hiasa any Tanjombato izy no nosakanan’ny jiolahy telo, teo amin’ny lalana mihazo an’Ilanivato Anosipatrana. Araka ny fanazavany teny amin’ny hopitaly, saika hangalatra ny moto nentiny ireo jiolahy, saingy niezaka nanohitra izy ka tsy […]