Mois : janvier 2024

Mozika tsy tontan’ny ela: mamelo-maso ny Anoka Bagasy

Tetikasa lasa anaran’ny tarika. Anoka Bagasy, mahalaza ny toe-po amam-panahin’ireo mpanakanto eo am-piangaliana azy. Mahalaza koa ny fihetseham-pon’ny mpankafy rehefa babon’ny hira ka entiny mianjoria iny… Antony lehibe nisafidianana ny anaran’ny tetikasa ho “Anoka Bagasy” izany. “Faniriana efa ela tato anatiko izy ity no navadika ho tetikasa. Izaho efa ela […]

Tetikasa “Kanto Manabe” : mitohy ny fampiofanana ny mpanabe

Tanterahina anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny atrikasa fampiofanana ny mpanabe ny kanto eny amin’ireo Tranombokim-pokontany eto amin’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra. Efa nisy ny atrikasa natao ny alarobia lasa teo ary hitohy amin’ny resaka fitaovana mahakasika ny hosodoko ny dinikasa, anio. Tanjona ny hampiroborobo ny haikanto avy eny ifotony. […]

Taona 2024 : hovelarin’ny « La St’Art Project » ny sehatrasany

Taona 2019, natsangan-dRazafindralambo Tsilavina ny « La St’Art Project » misehatra amin’ny fikirakirana ny sary sy ny feo… Misandrahaka hatrany amin’ny fanaovana asa soa toy ny fizarana fanampiana (Sakafo masaka, akanjo…) ho an’ireo tena sahirana. «Tsy hijanona hatreo amin’ny famokarana rakitsary sy ny fikirakirana ny feo (fandraisam-peo) fa hanohy izany amin’ny fanatanterahana […]

FANTINA sy FINTINA

Hambara rahampitso alahady amin’ny 5 ora hariva, raha tsy misy ny fiovana, ny ho firafitry ny governemanta vaovao. Mbola nitohy omaly, ny fandaminana faramparany ireo ho minisitra ho eo ambany fitarihan’ny lehiben’ny governemanta, i Ntsay Chris­tian, izao. “Tsy afa-bela amin’izao fahantrana izao ny praiminisitra”, hoy ny depiote sady filohan’ny MTS, […]

CMVP-Safid : “Ny fifidianana depiote no tokony hatao mialoha”

“Aleo tsy manao fifidianana alohan’ny 15 mey. Mana­raka, raha azo atao: aleo ny fifidianana depiote no handeha aloha any amin’ny fiandohan’ny jolay, ohatra. Aorian’ izay ny fifidianana kaominaly any amin’ny aogositra, ohatra”. Io ny tolo-kevitry ny avy amin’ny Cellule de moralisation de la vie publique-Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid) […]