Mois : janvier 2024

Judo : nahazo 3è Dan ny maitre Harry Brandon

Ho fankasitrahana ny zava-bitan’ny maitre Harry Brandon tamin’ny Judo malagasy, notoloran’ny federasiona malagasin’ ny Judo mari-pankasitrahana sy nomena ny grady 3è Dan izy. Handao an’i Madagasikara tanteraka izy rehefa nahavita be teo amin’ity taranja ity. Niasa teto Madagasikara, nandritra ny taona maro, ny maitre Harry Brandon Kindelberger, nanangana ny klioban’ny […]

Echec-Rakotomaharo Fy: hiakatra «Grand maitre international» amin’ity 2024 ity

Mandalo eto Madagasikara ny Maitre international (MI) Rakotomaharo Fy, Malagasy mpilalao, taranja Echec, mila ravinahitra any Frantsa. Nisy ny resadresaka nifanaovana taminy. Gazety Taratra(*): Mandalo eto Madagasikara ianao, misy antony manokana ve ahatongavanao eto? Rakotomaharo Fy(-): Araka ny efa fantatra, tanterahina eto Madagasikara ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone 4.4, […]

Fasankarana : mitohy ny asa fanamboaran-dalana

Mitohy ! Miverina nanomboka ny 5 janoary 2024 teo, ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RNT 58, mampifandray an’Ankadimbahoaka, Fasankarana, Jovena Anosizato. Nijery ifotony ny fizotry ny asa, ny talen’ny Fotodrafitrasa, Razafindrianarivo Henri Jacob, ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), omaly. Miandraikitra ity fanarenan-dalana ity ny orinasa Colas, ao anatin’ny telo herinandro. […]

TOLOTRA «jirakaiky» : azo aloa eny amin’ny Cash point ny faktioran-jiro sy rano

Mitombo hatrany ny fomba azo handoavana ny faktioran’ny Jirama, hampihenana ny filaharam-be. Anisan’ny vaovao ny fandoavana azy eny amin’ny Cash point nahazo alalana avy amin’ny Jirama. Maro ny mitaraina amin’ny filaharam-be rehefa mandoa ny faktioran’ny jiro sy ny rano. Miroso amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika ny fanjakana, amin’ny ala­lan’ny Ji­rama. […]