Mois : janvier 2024

Sampana mpamonjy voina : amboarina ireo fantson-drano eny Analakely sy Mahamasina

Manatanteraka ny asa fanamboarana ireo fantsona mamatsy rano mandritra ny fisiana tranga fahamaizana eny Analakely sy Mahamasina ny sampana mpamonjy voina, ao amin’ny kaominina An­tananarivo Renivohitra. Ireo fantsona ireo no ampiasain’ny ekipa milatsaka an-tsehatra amin’ny famonoana afo eny amin’ireo toerana ireo. Tsy azon’iza na iza ampiasaina izany fantsona izany afa-tsy […]

Noho ny areti-maso : voarara ny fivorivoriana

Namoaka naoty ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly, fa voarara ny fanaovana hetsika famoriam-bahoaka isorohana ny fihanaky ny valanaretina, indrindra ny areti-maso izay mivaivay amin’izao fotoana. Mila hajaina koa ny sakana ara-pahasalamana rehetra hanapahana ny rohy fiparitahany. Tsy azo hatao, araka izany, ny fivorivoriana amin’ny endriny rehetra ho fanajana […]

FITSIPIKY NY FAHADIOVANA : tsy ny fako rehetra no azo ariana anaty dabam-pako

Hentitra ny CUA amin’ny fampanajana ny lalàna efa napetraky ny CMH momba ireo karazam-pako tsy tokony hariana eny amin’ny dabam-pako eny anivon’ny fokontany. Iharan’ny sazy ireo minia manao izany. Namerina nampahatsiahy ny kaominina An­tananarivo Reni­vohitra mahakasika ireo karazam-pako tsy tokony hariana eny amin’ny dabam-pako iombonana eny anivon’ny fokontany. Efa voarakitra […]

TARATRY ny KANTO

Iraimbilanja etsy amin’ny Piment Café Beho­ririka. Tafiditra hatrany amin’ny fanamarihana ny faha-20 taona nisian’ity toeram-pialamboly ity, anjaran’ny tarika Iraimbilanja indray ny manafana ny sehatra anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Fara Gloum any Moramanga. Taorian’ny fihaonana tamin’ireo mpankafy tetsy Ambodivona, ny alarobia teo, manome fotoana ireo any Moramanga […]