Mois : janvier 2024

Vovonana Mamita : hiady amin’ny tsimatimanota, miaro ny tanindrazana

Nampahafantarina, tamin’ny fomba ofisialy, tetsy Ampandrana, omaly, ny vovonana Malagasy miaro ny tanindrazana (Mamita). Miompana amin’ny foto-kevitra maromaro ny anto-pijoroany. Tafatsangana ny Vovo­nana Mamita! Anisan’ny foto-kevitra lehibe ijoroany ny famerenana ny firenena ho tany tan-dalàna sy ny ady atao amin’ny fahantrana. “Hitondra vahaolana maharitra manoloana izany isika fa tena efa […]

TSELATRA

Naratra mafy ny jiolahy iray nanendaka mpivarotena teny 67 ha, afakomaly alina. Nisintona tampoka ny poketra teny an-tanan’ilay mpivarotena ilay jiolahy, namaly ny lasibatra. Nifampitolomana teo ilay mpanendaka. Azo ny poketra teny an-tanany saingy naratra mafy, noho ny daroka nahazo azy, kosa ilay olon-dratsy. Tafatsoaka anefa izy taorian’izay. Tohivakana ny […]

Trano iray inefatra vaky… Voatifitry ny zandary Ratsoa

Tsy tao an-trano ny tompon-trano ka nanararaotra nikasa hamaky ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Ratsoa. Maty voatifitra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy, omaly, tao Amboro­manina fokontany Andra­no­vao, kaominina ambanivohitr’ Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano. Nisy nahatsikaritra ity jiolahy ity niditra tao an-tranon’olona ka niantso ny zandary ao amin’ny […]

Nirahina hividy menaka : ankizy 14 taona niharan’ny fanolanana

Lehilahy 29 taona nanolan-jaza nosamborin’ny mpitandro filaminana. Nitantara ny nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny ny ankizivavy iray 14 taona, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Fidirana, distrikan’ i Mandoto, ny harivan’ny 9 janoary teo. Nirahan-dreniny hividy menaka atao amin’ny sakafo io ankizy io, tamin’ny 6 ora hariva. Nifanena lehilahy monina tsy lavitra […]