Mois : janvier 2024

Fampirantiana « Misy diso » : Madagasikara sy ny maha malagasy no asongadin’i Cynthia C.

Mamaky sehatra ny Fondation H, amin’ity taona 2024 ity, ny fampirantiana “Misy diso” an’i Cynthia Colney. Mitondra fahalalana, ahafantatra bebe kokoa ny maha malagasy sy i Madagasikara izany fampirantiana izany. Manatanteraka fampirantiana ao amin’ny Fondation H, ao Paris Frantsa, i Cynthia Colney, Malagasy mpahay kanto manana ila Frantsay. Na­nomboka omaly […]

Ananambo : be otrikaina sy miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Miova ary mihasimba ny toetr’andro maneran-tany, tafiditra amin’izany i Madagasikara. Mizaka izany avokoa ny olombelona sy ny karazan-javamananaina rehe­tra amin’ny an­ka­pobe­ny. Vo­kany, simba avokoa ny tontolo iainana. Mitombo ny tahan’ny tokantrano tratry ny tsy fahampiana sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Anisan’ny vahaolana amin’izany ny famokarana sy fihinanana Ananambo. Mitondra soa sy […]

FANTINA sy FINTINA

Natomboka omaly ny fizarana zana-kazo tao amin’ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana (Dredd) Vakinankaratra. Marihina fa maimaimpoana ny zana-kazo alaina any amin’ireo Dredd manerana ny faritra 23 eto amin’ny Nosy, saingy misy kosa ny fepetra hentitra tsy maintsy arahin’ny mpangataka, sady arahin’ny teknisiana maso eny amin’ny toerana hambolena ny hazo. Tafapetraka […]

Angovo avy amin’ny masoandro: mihazakazaka ny fametrahana toby, miisa 46

Mandeha ny fanatanterahana ny fametrahana Toby famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, parc so­laire, (PS), miisa 46. Anisan’ny hisitraka izany ny any Manakambahiny Ambaton­dra­zaka, faritra Alaotra Mangoro. Nidina ifotony nijery ny toerana hananganana ny fotodrafitrasa ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), niaraka tamin’ny teknisian’ny Jirama, omaly 9 janoary. […]

Tsy ho lohany avy any afara!

Mitaintaina toa sahobakaka am-bodiriana ireo kandidà ho minisitra. Anio no hanatitra ny lisitra misy izay voafantiny any amin’ny Filoham-pirenena ny Praiminisitra. Mazava ny fanambarana fa ny faran’ny herinandro dia efa hanana governemanta feno ny vahoaka malagasy. Feno ny ekipa manomboka any amin’ny mpanazatra, ny kapiteny, ny mpilalao rehetra manomboka amin’ny […]