Mois : janvier 2024

KMF/Cnoe : “Ny fifidianana depiote no tokony hatao aloha”

“Tokony ho ny fifidianana solombavambahoaka no mandeha aloha vao ny fifidianana ben’ny Tanàna izay efa hahemotra hatrany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Name­arison Robert, momba ny fifidianana hatao manaraka eo. Raha ny lojika amin’izao, ny fifidianana parlemantera ny fifidianana fihodinana faharoa amin’izao. Io fifidianana depiote […]

Andriamarotafika Soava: “Hampanano sarotra ny fampiarahana fifidianana kaominaly sy depiote”

Ny fifidianana kaominaly sa ny fifidianana depiote no tokony hatao mialoha? Na azo ampiarahana izy roa… Maneho ny fijeriny ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’ny fifidianana manaraka eo? Andriamarotafika Soava (-): Raha ny amin’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, amin’ity janoary ity no […]

TARATRY ny KANTO

Mozika tsisy fefy, etsy amin’ny Custom Café. Afaka manomboka ny fialamboly anio manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina ny mpankafy ny gadona Rock, Funk ary Jazz. Hianjoria miaraka amin-dry Eric Rakotoary eo amin’ny gitara beso, Gérard Ratsimiseta eo amin’ny gitara ary i Eric Andrianiaina eo amin’ny amponga maroanaka. Ny […]

Taona 2024: ahiana tsy hisy fivelarana ny zavakanto

Miankina amin-javatra lehibe maro ny fivelaran’ny kolontsaina eo amin’ny firenena iray. Raha tsy misy mpijery, ohatra, ny rindrankira eny an-tsehatra, tsy hahita fivelarana ny mpanakanto sy ny zavakanto ataony. Rehefa tsy manana ny fahefa-mividy hi­anarana kabary, ohatra, ny tanora, azo antoka fa tsy hanana olon-dehibe mahay kabary ny fiarahamonina. Manao […]

“RDJ Mozika 2023” : hisokatra ny faran’ny herinandro ny safidy

Homena mari-pankasitrahana ireo be mpankafy. Tsy mivaona amin’ny fanaony isan-taona ny onjam-peo RDJ amin’ ity. Ny voalohandohan’ny taona toa izao mantsy no fanomezana sehatra ireo mpihaino sy mpankafy, amin’ny fisafidianana izay mozika, mpanakanto, seho, sns, izay heverin’izy ireo ho mendrika, anatin’ilay hetsika “RDJ Mozika”. Hotontosaina ny alahady 4 febroary ho […]