Tsy re tsaika fa misoko mangina ny fanaterana antontan-taratasin’ireo kandidà ho minisitra ho ao anatin’ny governemanta vaovao. Samy efa an-jatony avokoa ireo dosie voaray eny Mahazoarivo sy eny Iavoloha. Milahatra eny koa ireo minisitra teo aloha.
Mbola mitohy ny fandraisana izany ka efa maherin’ny 150 ny voaray eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, raha 130 kosa izany ho an’ny eny anivon’ny Primatiora, hatramin’ny omaly atoandro.
Niasa hatramin’ny sabotsy hariva ireo mpiasa nandray izany na ho an’ny eny Mahazoarivo na ny etsy Ambohitsirohitra. Mbola niverina ho anisan’ireo milahatra manatitra dosie tahaka ny rehetra koa ireo minisitra am-perinasa te hiverina amin’ny sezany amin’izao fotoana izao. Manantena ny mbola ho anisan’ny ho voaray amin’izany toerana izany.
Na izany aza, tsy mbola voafaritra ho hatramin’ny rahoviana ny fe-potoana farany handraisana izany anton-taratasy izany. Tsy mbola fantatra, tahaka izany, koa ny fotoana hanaovana ny fitsapana na hanadinan’ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra miaraka, ireo kandidà ho minisitra ireo.
Vitsy ireo sahy ho minisitra
Tsiahivina fa anisan’ny hampiavaka ity governemanta iray ity ny fandalovana amin’ny dingana maromaro. Eo koa ny fianianana hataon’ireo minisitra, indrindra manoloana ny ady amin’ny kolikoly ary hanao sonia izany. “Tsy misy indrafo fa hofaizina ireo mikasa hanao izany. Hoesorina amin’ny toerany ireo tsy mahavita ny asany… Tsy handeferana ny mety ho endrika manaratsy ny firenena ary tokony ho maodely avokoa isika rehetra”, hoy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, tamin’ny fanendrena ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny herinandro teo. Nanteriny fa ho vitsy ireo ho sahy ho mpikambana eo anivon’ny governemanta ary anisan’ny maha hafa ity fe-potoam-piasana ity izany. Tsy araka izany anefa fa marobe ireo te ho minisitra ary sahy sy vonona raha ny isan’ireo dosie. Sahy hianiana sy tsy hanao kolikoly?
Synèse




