Mois : janvier 2024

Andriamanantsoa Santatra: « Afaka miaraka ny haikanto sy ny fianarana »

Andriamanantsoa Santa­tra, fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny Slam malagasy amin’ny anarana hoe Santa. Ny taona 2014, nanomboka niditra teo amin’ny fanaovana “Slam poèsie” ny tenany, tany Antsirabe. Ny manodidina azy no nandresy lahatra sy nanosika azy hiroso amin’ny matihanina kokoa. Tafakatra teo amin’ny vovonan’ny Slam malagasy izy, ny […]

Tontolon’ny soratra: hanamarika ny faha-35 taona nijoroany ny Faribolana Sandratra

Taona 1989-2024. 35 taona katroka ny Faribolana Sandratra. Tsy ho lalovam-potsiny io vanim-potoana io fa homarihina amina hetsika maro. Hopo­rofoin’ny mpiraifaribolana fa nahavita sy mahavita ary hahavita mampandroso ny literatiora malagasy ny fikambanana misy azy ireo. Feno 35 taona amin’ny alakamisy 11 janoary 2024 izao ny niorenan’ny Faribolana Sandratra ara-panjakana, […]

VAOVAO TAMBATRA

Manodidina ny 79 dolara ny vidin’ny solika iray barila, eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy mitsaha-midina io vidiny io, nanomboka ny volana oktobra teo, izay efa nahatratra 94 dolara. Anisan’ny mahatonga izany ny adin’Israeliana sy ny vondrona palestiniana Hamas, ka mihena ny fanjifana. Miisa 85 ny olona niofana ny fiompiana trondro […]

fambolen-kazo : ireo dingana tsy maintsy arahina

Ao anatin’ny fotoana fambolen-kazo tanteraka izao. Mamokatra zana-kazo, ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd), manerana ny Nosy. Azo alaina maimaimpoana izy ireny, saingy misy ny fepetra sy ny dingana tsy maintsy arahina, satria tanjona ny hampahomby ny fambolena azy. Manao taratasy fangatahana ny mpamboly, herinandro mialohan’ny fotoana tena hambolena. Hita […]