“Ho mafy ny toe-draharaham-pirenena hisy eto”, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, amin’izao taona vaovao izao. Maneno avokoa ny mpanao politika mpanohitra. Misy koa ny mpanohana fitondrana efa manomboka maneno fa tsy hahazo toerana amin’ny fananganana governemanta. Ny fiarahamonina sivily efa niteny tamin’ny voalohany hoe diovina aloha […]
Mois : janvier 2024
Mangarano: Jiolahy efatra saron’ny polisy
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP2 Mangarano Toamasina, ny 3 janoary 2024 teo, ny jiolahy efatra tompon’antoka tamina fandikan-dalàna samihafa. Ny roa lahy amin’izy ireo tratra teo am-pangalarana cyclo-pousse tao Antetezantona. Efa maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisiana halatra ataon’ireto jiolahy ireto. Nidina ifotony ny polisy ka […]
Minisiteran’ny fitsarana : hihamafy sy hatevenina ny ady amin’ny kolikoly
Niarahaba ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana,amin’izao taona vaovao izao, ny eo anivon’ny fianakaviamben’ny fitsarana. Hentitra ny toromarika avy amin’ny minisitra tamin’izany. Nambarany fa ny adidy sy andraikitra mitohy hatrany na niova aza ny taona. “Hohamafisina ireo ezaka rehetra efa natao. Maro ny asa mbola miandry”, hoy izy. Anisan’izany […]
INDRAY MIJERY
Hiverina an-dakilasy ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra manomboka ny alatsinainy izao, hanohy ny roa volana fahatelo. Herin’ny taom-pianarana ny roa volana fahatelo sy fahefatra, hoy ny mpanabe ka mila mifantoka tsara ny mpianatra. Eo no mamita ny lesona anatin’ny fandaharam-pianarana ho an’ny taranja rehetra fa fizarana no atao betsaka ho […]
Hani-masaka : niakatra 500 Ar hatramin’ny 2 000 Ar
Niakatra ny vidin’ny sakafo iray lovia eny amin’ny toeram-pisakafoana eto Antananarivo, nanomboka ny 2 janoary lasa teo. Tsy maintsy nanondrotra ny vidin-tsakafo izahay satria nitombo avokoa ny vidin’ny hena sy ny vary ary ny legioma sy anana, hoy ireo mpivarotra. Misy ny nampihena ny fatran’ny sakafo atolotra ny mpanjifa fa […]




