Mois : janvier 2024

Vonon-kiady !

  Vita izay ny fety ! Hiverina amin’ny fiainana andavanandro ny isan-tokantrano. Hiroso tsikelikely amin’ny fanatanterahana ny vina sy ny fanamby napetraka ny fitondram-panjakana vao voafidy. Efa nivoaka tamin’ny fahanginany iny ny filohan’ny Repoblika. Mazava ny teny nataony fa tsy maintsy tazomina ny vava navoaka, indrindra mahakasika ny fampandrosoana an’i Madagasikara. […]

TSELATRA

Mpitondra moto iray naratra mafy teny amin’ny digue Andohatapenaka, afakomaly. Fiara iray nisongona taxi-be no nifandona tampoka tamin’io mpitondra moto io. Niparitaka ilay moto ary naratra ny mpitondra azy.  Tsy nisy aina nafoy. Vehivavy gasy iray tompona orinasa misehatra amina fizahantany malaza eto an-toerana  nopoizinin’ny namany, ny faran’ny herinandro teo. […]

Herisetra ara-nofo: roa lahy nanolan-jaza naiditra am-ponja

Voasambotry ny polisy ny lehilahy nanolan-jaza 12 tao­na tao Tsaramandroso Man­drosoa, kaominin’i Soamaha-manina, distrikan’i Miarinarivo, afakomaly. Zanaky ny zaodahiny ihany no nararaotiny nanaovana ny filan-dratsiny. Nikarakara sakafo irery tao amin’ny trano fonenany ilay lasibatra, ny 28 desambra 2023 teo. Niditra antsokosoko tao an-trano ilay rangahy tsy valahara. Notereny hanao filàna […]

Akon’ny fety : olona 37 nosamborin’ny polisy

Polisy 1 985 no nisahana ny fitandroana ny filaminana manerana an’Antananarivo Renivohitra, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona 2023 sy ny taom-baovao 2024. Namoaka tatitra momba ny antontan’isa teo amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana, tao anatin’izay roa andro nankalazana ny fety izay, ny teo anivon’ny polisim-pirenena. Efatra ireo trangana vaky […]