Nentin’ny fikambanana Zanak’Ambohidratrimo Marovatana (Zam) namarana ny taona 2023 ny fitetezana ireo fokontany sivy ao anatin’ny kaominina Ambohidratrimo. Tsy antoko politika ity fikambanana ity fa raisiny ho taonan’ny fampandrosoana ny taona 2024. Nisy ny fihaonana sy ny tafatafa niarahan’ny filohany, Rabary Hery, tamin’ny raiamandreny tao amin’ny sakeli-tanin’Ambohitara, ny fokontany Ambovo, […]
Mois : janvier 2024
Fitaterana an-dalamby: tapaka nanomboka omaly ny FCE
Miato vonjimaika ny fitaterana an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara (FCE), nanomboka ny talata 2 janoary teo, noho ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Hamakivaky ny tanàna andalovan’ny zotra an-dalamby ny rivodoza ka antony nandraisana ny fepetra hiarovana ny mpandeha sy ny ainy. Tsy mbola fantatra hatramin’izao ny hiverenan’ny fisokafan’ny zotra, araka ny […]
Hampaharitra ny tahiry : mikatona vonjimaika ny jono horita
Mikatona mandritra ny fotoana voafetra, nanomboka ny 15 desambra teo ka hatramin’ny 31 janoary, ny jono horita. Tanjona ny mba hahafahana mampitombo sy mampaharitra ny tahiry efa misy. Toy ny isan-taona, mikatona vonjimaika, nanomboka ny 15 desambra teo ka hatramin’ny 31 janoary 2024, ny jono horita amin’ny endriny rehetra. Mikatona […]
TARATRY ny KANTO
Hivory voalohany, amin’ity taona 2024 ity, ny sokajy «Haikanto sy Hailaza», eo anivon’ny Akademia Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny lahadinika roa lehibe. «Ny fanahy ao amin’ ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly», hiarahana amin-dRanaivoson Lucien, mpihira, mpanao gazety. «Ny endrika marolafin’ny herisetra tarafina ao amin’ny boky « Mitaraina […]
Ashiko Ratovo : « Mahafinaritra ny miaina sy mikaroka »
Ratovohery Toavina, mitondra ny anarana “Ashiko Ratovo”, amin’ny maha mpahay kanto azy. Malagasy tanora misehatra amin’ny fanaovana haikanto an-tsary, toy ny fanaovana sary tanana, ny hosodoko ary ny sary sokitra. Anisan’ny tena manavanana azy ny filalaovana lokorano. Efa hatramin’ny fahakeliny izy no liana tamin’ny haikanto sy ny fanaovana sary. Manodidina […]




