Mois : janvier 2024

Faritra Vakinankaratra : nijery ny olana ifotony ny Antenimierandoholona

Amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierando­ho­lona, nisy ny fivoriana, atrikasa, natao tao Antsirabe, faritra Vakinankaratra, afakomaly. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny governoran’ny faritra. Niatrika izany ny olom-boatendry sy olom-boafidy eny ifotony, toy ny lehiben’ny distrika sy ny lehiben’ny fokontany mbamin’ny ben’ny Tanàna, Antsirabe I […]

Koleranao, kolerako !

  Mihazakazaka ny fametrahana olona sy ny fitadiavana toerana any amin’ny departemanta isan-karazany, taorian’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Mirodorodo, manao be fiavy any amin’ny biraom-panjakana ny manam-pahefana avy any amin’ny faritra, manao ady sisika ny toerana. Niaraha-nahalala fa manomboka rahateo ny fanovana olona. Maro amin’ny solombavambahoaka no manararaotra faramparany ny […]

Fanapahan’ny HCC : manohy ny asany ireo ben’ ny Tanàna

Namaly ny fangataham-panazavana nataon’ny Praiminisitra momba ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ny eo anivon’ny HCC. Mijanona amin’ny toerany aloha izany ireo olom-boafidy eny ifotony. Nambaran’ny avy etsy Ambohidahy fa mitantana vonjimaika mandra-pahatongan’ny fifidianana eny ifotony aloha izany ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, lany fe-potoam-piasana ny 10 janoary […]

427 nivoaka ny fonja : mirongatra indray ny asan-jiolahy ao Toamasina

Misy ifandraisany ! Tsy la­tsaky ny 20 hatramin’ny 30 isa ny olona tonga manao fitarainana eny anivon’ny fokontany, zandary ary ny polisim-pirenena fa iharan’ny asan-jiolahy : fanendahana, vaky trano, sinto-mahery. Raha ny fanadihadiana natao, misy ampahany amin’ireo voafonja vao nahazo fanalefahan-tsazy farany teo ny sasany amin’ireo jiolahy manao ny asa […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana roa lasan’ny rano tao Antsaonjobe, fokontany Andranofotsy, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe, omaly tolakandro. Niezaka niampita ny renirano Kelilalina izy mianaka ireo. Nentin’ny rano izy ireo ka nifampitadiavana hatramin’ny omaly hariva saingy mbola tsy hita. Potika nifandona tamin’ny fiara ny moto iray tetsy Marais Masay, omaly maraina. Tafalatsaka afovoan’ny fiara roa […]