Mois : janvier 2024

Hetsika “NOus_sOmm∑”: Tanjona ny hiarovana sy hanavotana ny tontolo iainana

Samy tompon’andraikitra sy manana adidy manandrify azy ny rehetra, raha ny momba ny fiarovana sy fanavotana ny tontolo iainana no asiana teny. Izany indrindra no anton’ny hetsika, ho fampahatongavan-tsaina ny olona amin’ny alalan’ny haikanto. Mitohy eny amin’ny Centre de lecture, d’information et de culture (CLIC) Antohomadinika, na­nomboka omaly, ny hetsika […]

Boky « Ilay Lolokely jejo »: Ho hita ao Afrika

Nisy ny fiaraha-miasan’ny trano famoaham-boky Ntsa­me, avy any Gabon sy ny Jeu­­nes malgaches, avy eto Ma­dagasikara, ny amin’ny fividianana ny zo mahakasika ilay boky novokarin’ny Jeunes malgaches, nampitondrainy ny lohateny hoe «Ilay Lolokely Jejo». Araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny trano famoaham-boky, ankoatra ny tombony azon’ny mpanoratra ny boky, zava-dehibe ho […]

Tarika Raboussa: Seho tokana any Alemaina

Ny voalohandohan’ny taona no nandatsahana ny vaovao. Efa any an-toerana, nanomboka omaly, kosa Raboussa sy ny tariny. “Efa aty, sabotsy mihaona. “Te ho any aminao” ny hiranay voalohany amin’io”, hoy ny nambaran-dRaboussa tao amin’ny pejin’ny tarika. Manome fotoana ireo mpankafy azy any Munich, Alemaina ity mpanakanto ity, rahampitso sabotsy. Miara-dalana […]

VAOVAO TAMBATRA

Kendrena ho vita faran’izay haingana ny fametrahana ny toby famokarana angovo (centrale thérmique) ahafahana mahazo herinaratra 105MW eto Antananarivo. Efa an-dalana ny fanatanterahana ny tetikasa mba hanampiana ny herinaratry ny orinasa Jirama, izay mamatsy ny Renivohitra sy ny manodidina. Hametrahana orinasa mpamokatra zezika ny faritra Alaotra Mangoro, Boeny, Sofia, Analamanga. […]