Tany mirefy 1 200 hektara, hiveloman’ny tantsaha an’arivony, kasain’olon-tokana hamidy amin’ny teratany vahiny ao amin’ny fokontany Antsambalahy, kaominina Tsarahasina, distrikan’i Boriziny, ny 9 janoary teo. Nohajarin’ny tantsaha arivo mahery nanomboka ny fanjanahan-tany anefa io tany io, araka ny fanazavan’izy ireo. Olon-tokana voalaza fa taranaka vazaha tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany, araka izany, no […]
Mois : janvier 2024
Andralanitra : dimy lahy tratra nivarotra rongony
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny poste avancé Andralanitra (PPA), ny zoma teo, ireo dimy lahy voarohirohy manao asa fivarotana rongony amin’ny mpianatra. Maro ny fitarainana voarain’ny tomponandraikitra eny anivon’ny sekoly ao Andralanitra noho ny fisian’ireo andian-jatovo mivarotra zava-mahadomelina manodidina ny toeram-pianarana. Nanamafy izany rahateo koa ny antso nataon’ireo ray […]
Fampandriana fahalemana : manamboninahitra nanaraka fampiofanana ho mpampiofana
Nanatanteraka fampiofanana ho mpampiofana (formation de formateurs) teny amin’ny toby fiofanana Langaina ireo manamboninahitra 13 eo anivon’ny Tafika an-tanety, nanomboka ny 15 janoary ka nifarana ny sabotsy 20 janoary 2024 teo. Ireo manamboninahitra voafantina mandrafitra ny Tafika an-tanety manerana ny Nosy no nandray anjara tamin’ity fampiofanana ity. Ny fanatrarana ny […]
INDRAY MIJERY
Mamely ny zaza ny aretin’ny taovam-pisefoana, indrindra ny bronchiolite, hoy ny dokoteran’ny zaza eny Ambohimiandra. Ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 3 volana dia tsy tokony hifanerasera betsaka amin’ny olona loatra, indrindra ireo voan’ny gripa. Tena mbola marefo ny zaza ka saro-pady. Ny 10 febroary izao no hanatanteraka ny fambolen-kazo […]
Analamanga : hitohy anatin’ny hateloana ny rotsakorana
Nanambara ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa tombanana hitohy hatrany ny rotsakorana betsaka (40 hatramin’ny 100mm ao anatin’ny 24 ora). Any amin’ny faritr’i Diana sy Sofia ary ny tapany avaratr’i Sava no ahitana izany vokatry ny oram-baratra ateraky ny talio sy ny Zone de Convergence Inter-Tropicale (ZCIT). Mety […]




