Nanatanteraka fampiofanana ho mpampiofana (formation de formateurs) teny amin’ny toby fiofanana Langaina ireo manamboninahitra 13 eo anivon’ny Tafika an-tanety, nanomboka ny 15 janoary ka nifarana ny sabotsy 20 janoary 2024 teo.
Ireo manamboninahitra voafantina mandrafitra ny Tafika an-tanety manerana ny Nosy no nandray anjara tamin’ity fampiofanana ity. Ny fanatrarana ny tanjona mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha olona no nokendrena tamin’izany. Natao ity dingana ity mba hisitrahan’ireo manamboninahitra mpiofana ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantana madio, ho fanomanana sy fampiofanana ireo miaramila miisa 560 voaray hanohy ny asa maha miaramila raikitra ny taona 2023 lasa teo, alohan’ny handraisan’izy ireo ny asa fampandriana fahalemana. Nisy, araka izany, ny fampitana ny soatoavina tamin’ireto manamboninahitra mpiofana ireto ho fanatanterahana ny toromarika nomen’ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, mba handavorariana ny asa ao anatin’ny fahaiza-manao, fibaikoana tsara tantana, mahitsy ao anatin’ny fanarahana ny lalàna sy ny fitsipika. Eo koa ny fanajana ny maha olona mba hisitrahan’ny vahoaka ny tamberin’andraikitra avy amin’ny Tafika Malagasy. Notolorana ny mari-pankasitrahana ireo manamboninahitra nahavita ny fiofanana ny taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fiofanana nataon’izy ireo. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny lehiben’ny etamazaoron’ny Tafika an-tanety niaraka tamin’ireo manamboninahitra mpiara-miasa aminy.
J.C




