Mois : janvier 2024

Sombim-baovao

Hikarakara fifaninanana Futsal etsy amin’ny Gymnase Couvert Mahamasina, ny Madagascar Futsal Association (FMA). Hotontosaina manomboka ny 24 febroary ary hifarana ny 17 marsa ho avy izao izany, araka ny filazan’ny mpikarakara. Marihina fa ekipa 20 no hifanintsana amin’ny sokajy lehilahy raha toa ka 12 ny an’ny vehivavy. Hotanterahina eto Antananarivo, […]

Kung Fu Malagasy : hanao fitsidihana any Eoropa

Namoaka ny fandaharam-potoanany, mandritra ny enim-bolana amin’ity taom-pikatrohana 2024 ity, ny eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Kung Fu. Ho feno tanteraka ny lafiny fifaninanana, teknika, fa­naovaozana rafitra ary ny fi­fandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny vi­na goavana ataon’ny FMKF, mialohan’ny volana jona izao, ny fitsidihana an’i Eoropa. Ha­ha­fahana mijery akaiky ny ta­ranja […]

Kitra – «Telma Coupe» : fantatra ireo ekipa hanao ny manasa-dalana

Fantatra avokoa ireo ekipa efatra hiatrika ny manasa-dalan’ny” Telma Coupe de Madagascar”. Nafana tanteraka ny lalao ampahefa-dalana. Nifarana ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, «Telma Coupe de Madagascar 2023». Ny ekipan’ny As Fa­na­la­manga avy any Atsinanana sy ny CFFA […]

TARATRY ny KANTO

Natao veloma farany tetsy amin’ny Ekar Mb Terezy etsy Isotry, ny sabotsy teo, Rafalison Joachim, mpanao hiragasy ao amin’ny tarika Ramilison Fenoarivo. Nandritra izany no nanomezana azy ny mariboninahi-pirenena «Chevalier de l’ordre national», tamin’ny alalan’ny minisitry ny Serasera. Naterina teny amin’ny fasan-drazany eny Mandrosoa Antongona izy, taorian’izay. Nivoaka ny sabotsy […]

Fandidiana an’i Mikakely : seho tolo-tanana hataon’ny mpanakanto namany

Tojo tsy fahasalamana Raoel Brice Mick, antsoin’ny maro hoe Mikakely Bassiste. Misy lalan-dra tapaka any amin’ny lohany. Mikasa hanao ny fandidiana azy ny mpitsabo anio. Nihombo malaky anefa ny aretiny satria efa niparitaka ny ra, ka tsy maintsy natomboka omaly izany. Indroa miantoana ny fandidiana, raha ny fanazavan’ny fianakaviana, omaly. […]