Mois : janvier 2024

Mozika jazz : nodimandry i Dédé Rabeson

Nodimandry teo amin’ny faha-89 taonany i Dédé Rabeson, araka ny fizaram-baovao nataon’ny zanany Datita Rabeson, afakomaly. Anarana fanta-daza teo amin’ny tontolon’ny jazz malagasy, indrindra amin’ny maha mpitsoka saxophone azy. Rehefa zavamaneno tsofina anefa dia niangaliany avokoa. Nilalao amponga maroanaka koa izy. Nanana ny lazany ry Rabeson Mirahalahy, izay azo lazaina […]

Fanatontosana sarimihetsika : nizara ny traikefany Rajaonarivelo Raymond

Mandalo eto Madagasikara Rajaonarivelo Raymond, mpanantontosa sarimihetsika fanta-daza maneran-tany. Nisy ny fizarana traikefa nataony afakomaly, teny Anjohy. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Musée de la photographie Anjohy, ny valandresaka niarahana tamin-dRajao­narivelo Raymond, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika. Tafiditra ao anatin’ny hetsika «Café histoire, Quand le cinéma rencontre l’histoire» izany. Nasongadiny […]

Arofanin’ny tokantrano: Ilaina ny fisoratam-panambadiana, 5 000 hatramin’ny 30 000 Ar ny sarany

Mitombo isa ha­trany ireo tanora sy mpivady mangataka ny hisaraka voaray eny anivon’ny tribonaly. Tsy mitsaha-mi­tombo iha­ny koa anefa ny olona maniry sy miroso amin’ny fanambadiana ara-dalàna, raha ny fanadihadiana natao. Manodidina ny 66 ny mpivady nisaraka, ra­ha ny tatitra voaray teny anivon’ny boriborintany fahefatra tamin’ny taona 2023 lasa teo. […]

FANTINA sy FINTINA

Sady nekena no navoaka tamin’ny filankevitry ny governemanta, notanterahina ny sabotsy lasa teo, ny firafitry ny minisitera folo nanolotra ny azy. Anisan’izany ny famaritana misimisy kokoa ny andraikitra sy iraka ankinina amin’ilay minisitra delege misahana manokana ny zandarimariam-pirenena. Anatin’ny fametrahana ny rafitra isan’ambaratongany ny fitondrana tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Andrasana ny […]

Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : tokony ho diplaomaty ny ambasadaoro

“Avy nitondra sendikà aho, anisan’ny niady ho an’izay hoe tokony ho andrianjohany matihanina no hitarika ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Syndicat des corps du ministère des Affaires étrangères (Syncor­mae) teo aloha, Randria Razakandrema, ny amin’ny nanendrena ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, izay andrianjohany na diplaomaty matihanina. […]