Fe-potoam-piasana vaovao, governemanta vaovao… Mitaky fomba fiasa vaovao izany, na farafaharatsiny ahay, manatsara sy manafaingana kokoa izay tsara vita teo aloha. Na ahoana na ahoana, be mandrakariva izay tsy vita sy miandry mitaha amin’izay kely natomboka. Sanatria, efa zatra ny fanamby sy fampanantenana tsy tanteraka tamin’ny fitondrana nifandimby ny […]
Mois : janvier 2024
Filoha Rajoelina : “Tsy maintsy ahena ny fahantrana”
“Tetikasa hanavotra ny ankamaroan’ny Malagasy ny Ankohonana miarina, hanampy indrindra izay te hiarina amin’ny fiainany. Tanjona amin’izao fe-potoam-piasana faharoa izao fa voalohany amin’ ny fanombohana ny asa ny hoe: ahoana ny hahazoantsika mampihena ny fahantrana? Tsy maintsy ataontsika izay hampihena ny fahantrana”. Izay no nambaran’ny filoha Rajoelina, tany Arivonimamo, faritra […]
TSELATRA
Zazavavy 12 taona maty niharan’ny fanolanana tao Morondava, ny alakamisy 18 janoary teo. Nifampitadiavan’ny fianakaviana io zaza io nanomboka ny alatsinainy. Nametraka fitarainana teny amin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Narian’ny nahavanon-doza tsy lavitra ny trano fonenany ihany ny nofo mangatsiakan’ ilay zaza efatra andro taorian’ny fahaverezany. Mpampianatra iray maty voatsatok’antsy nataon’ny […]
andian-jatovo maditra: tovolahy 13 naiditra am-ponja
Tsy nitsitsy ny fitsarana fa naiditra am-ponja ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny sabotsy teo, ireo andian-jatovo maditra miisa 13 mpanao herisetra ao Toamasina. Navahana ireo tsy ampy taona satria natokana ao amin’ny faritra ho an’ny ankizy tsy ampy taona raha nafangaro amin’ireo voafonja kosa ireo efa […]
Mampanantena fiara 4×4 : tratra ireo jiolahy mpisoloky anaty finday
Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) teny Ankasina, ny 16 janoary 2024 lasa teo, ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny fanaovana fisolokiana anaty finday. Misoloky sady manao fisandohana andraikitra amin’ny alalan’ ny fampiasana finday ry zalahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Misandoka ho mpitandro filaminana, mpiasan’ny fonja sy […]




