Notanterahina nandritra ny telo andro, tany Milan-Italie, ny «Salon international du tourisme, BIT 2024″, izay nandraisan’i Madagasikara anjara, amin’ny alalan’ireo delegasion’ ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB). Naseho nandritra ireo fotoana ireo ny hakantaon’ny nosy sy ireo mampiavaka azy. « Tombony tamin’ny fandraisana anjara amin’ny hetsika ny fampahafantarana ny harena sy ny zavamanaina misy ao Nosy Be. Tanjona ihany koa ny hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany ao an-toerana », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ORTNB, Elisabetta Gravelino, nandritra ny hetsika BIT. Tsara toerana ny delegasion’ny ORTNB noho izy nahazo ny stand B36, teo amin’ ny pavillon fahefatra ny Allianz MiCo an’ny Milan. Toerana izay anisan’ny malalaka sy nahasarika ireo mpitsidika. Seha-pihariana anisan’ny mamelona tokantrano sy fianakaviana maro ny tontolon’ny fizahantany eto Madagasikara. Mahatratra hatramin’ny
1 500 000 ireo mpiantsehatra mandraharaha amin’izany.
Etsy ankilany, manodidina ny 1 300 ireo mpandray anjara amin’ny “BIT 2024”, nahatratra hatrany amin’ny 43 000 ireo mpitsidika izay samy liana tamin’ny famantarana ny firenena samihafa.
Henintsoa H.