Handball – Afrika «Cadets» : Mbola resin’i Tunisie indray i Madagasikara

“Resy indray…!” Mitohy hatrany ny vokatra ratsy ho an’ny ekipam-pirenena malagasy Akio, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, taranja handball, sokajy “cadets”, lehilahy, izay tontosaina any Côte d’Ivoire, hatra­min’ny 22 septambra. Mbola niondrika teo anatrehan’i Tunisie, tamin’ny isa 62 no ho 20, indray ny Malagasy mpilalao, omaly, nandritra ny andro faharoan’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny sokajy “B”. Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, hitan’ireo tonizianina ny tandre­vaka amin’ny fiarovan-tenan’ny Malagasy ka niraraka toy ny rano ny baolina tafiditr’izy ireo, teo amin’ny fidirana voalo­hany. Sahirana tamin’ny fanafihana ny Akio. Isa 33 no ho 13 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Taorian’izay, mbola nampiseho ny heriny hatrany ny ekipa magrebianina, ary nampitombo ny isa teny amin’ny solaitrabe, niafara tamin’ny isa 62 no ho 20 ny fihaonan’ny roa tonta, nandresy i Tunisie. Araka izany, ity no faharesena faharoa azon’i Madagasikara tamin’ ity Can ity. Tsiahivina fa efa lavon’i Algérie, 36 no ho 15, i Madagasikara tamin’ny lalao voalohany. Hifandona amin’i Nigeria indray moa i Madagasikara rahampitso.

Fitia Randria

Partager sur: